• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Office Tourisme De L'Est
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goavy tsinahy : Misoroka ny fitohanana (constipation)

29/04/2024 11:53 © Moov

Mampijaly tokoa ny fitohanana. Misy mihitsy ireo marary kibo mafy nefa tsy mahalatsaka maloto. Azo atao tsara ny mihinana fanafody misy akora simika, nefa mahasoa ny fahasalamana kokoa ny mihinana akora natoraly. Anisan'ny tena manampy ny goavy tsinahy rehefa sendra mitohana iny.

Fotoanan'ny goavy mihitsy izao andro mangatsiatsiaka izao. Hita eny an-tsena ihany koa ny Goavy tsinahy (Goyavier de Chine). Amidy amin'ny kapoaka izy io, ary mampiavaka azy ny loko mena midorehitra manintona ny maso. Matetika dia alona amin'ny siramamy na anaovana ranom-boankazo no fihinanana azy. Tsy vitsy kosa nefa ireo manodina io voankazo io ho lasa "confiture".

Goavy tsinahy, voankazo mahasoa

Manankarena "Fibres" ny Goavy Tsinahy. Izany indrindra no hihinanana azy mba hampirindra tsara ny fiasan'ny taova fandevonan-kanina. Fanafody ihany koa izy ho an'ireo olona mitohana. Raha tsy mahalatsaka maloto andro maromaro dia mihinana io voankazo io, eo ho eo amin'ny 100 grama isan'andro. Tsy adino nefa ny misotro rano betsaka mba hanafaingana ny fiasany.

Rehefa mihinana azy dia tsy esorina ny hodiny satria be "antioxydants", izany hoe manala ireo singa mahatonga aretina ao amin'ny vatana. Azo lazaina fa miaro ny olombelona amin'ny homamiadana ihany koa izy io. Be Vitamine C ihany koa io voankazo io. Singany iray monja dia mitondra vitamine C toy ny voasary miisa dimy.


Copyright Image : © Adobe Stock

Ireto izany no tena voka-tsoan'ny Goavy tsinahy :
-Misoroka sy mitsabo ny fitohanana ;
-Manamora ny fandevonan-kanina ;
-Mampitombo ny hery fiarovana ;
-Manafoana ny menaka ratsy sy ny aretina ao amin'ny vatana ;
-Mampangirana sy mampalefaka ny hoditra ;
-Mampihena ny fanaintainana ho an'ireo vehivavy tonga fotoana.


Copyright Image : © Adobe Stock

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo