logo Moov
           Nocomment
Andapa : Kilan’ny afo ny biraon’ny Jirama
(09-01-2017) - Tokony ho tamin’ny 11 ora maraina no nahatsikaritra setroka be ny vahoakan’Andapa, omaly. Rehefa nojirihina izany dia fantatra fa ny biraon’ny Jirama tao an-toerana no nirehitra.

Sady birao no trano fonenana izy io, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’io orinasam-panjakana io. Tsy fantatra mazava ny tena nitarika ny afo. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary, omaly ihany. Hatreto aloha dia tsy avy tamin’ny fihetsiketseham-bahoaka na antony mitovitovy amin’izany no heverina ho nitarika ny afo. Nilamina tanteraka tao Andapa ary tsy nisy grevy na fitarainana iombonana, talohan’io firehetana io. Na izany aza, amin’ny maha-birao ilay toerana, dia marobe ny antontan-taratasy may tao. Vita tamin’ny hazo rahateo ny ampahany amin’ilay toerana, hany ka vetivety dia nahazo vahana ny afo.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg