logo Moov
           Nocomment
Toliara : Lasa fanaovan’ny olona maloto sy toeram-panariam-pako ny biraom-paritry ny kolontsaina ao Tsienengea
(12-01-2017) - Noho ny tsy fahampian’ny tetibola nentina nanaovana ny asa fanarenana hatramin’izay, dia rava avokoa ireo fefy ao amin’ny biraon’ny sampandraharaham-paritry ny kolontsaina, ny fampiroboroboana ny asa tanana, ary ny fiarovana ny vakoka, miorina ao amin’ny fokontany Tsienengea Toliara ka izay mahamora ny fidiran’ny rehetra ao anatiny.
Lasa toerana fanaovana maloto sy toerana fanariam-pako sisa amin’izao ao amin’io biraom-paritra io. Ankoatra io dia simba tanteraka ny fotodrafitrasa rehetra, toy ny varavarana.

Homen-kasina amin’izay. “ Noho ny fanohanana avy amin’ny ministera foibe, dia hamboarina ny fefy, ary hodiovina ireo faritra feno loto. Hamboarina ny varavaran’ny birao simba sy potika sady hasiana « grille de protection », ary hasiam-panarenana ihany koa ireo toeram-pidiovana mba hiverenan’ny hasina maha-tena ho biraom-paritry ny kolontsaina marina azy ”, hoy Atoa Berthin, talem-paritry ny Kolontsaina Atsimo Andrefana. Faniriana, hoy ity talem-paritra ity, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny hisian’ny Tranoben’ny Kolontsaina aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana, mba hikolokoloana an’ireo vakoka mihavery tamingana.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg