logo Moov
           Nocomment
Laniera- Ambatolampy Tsimahafotsy : Tovolahy voaendaka, very ny môtô sy ny vola 500.000ar
(15-02-2017) - Tovolahy iray nitaingina môtô no nisy nanendaka teny Laniera- Ambatolampy Tsimahafotsy ny alatsinainy lasa teo. Vokany, very ny môtô sy ny vola mitentina 500.000 ar niampy karatra fakana vola amin’ny banky. Ilay tovolahy kosa tetsy andaniny naratra mafy noho ny vely vy nahazo azy.

Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo moa no nitrangan’izany ary lehilahy roa no nanatanteraka azy. Izy ireo izay nitondra vy maranitra hanakanana ka handrobana izay mandalo. Teny amin’ny lalam-baovao natokan’ny fanjakana ampiasaina tamin’ny frankaofonia mampitohy an’Antsarasaotra sy Ivato iny no nitrangan’ity fanendahana ity. Raha araka ny vaovao voaray dia niafina tao ambadika arofanina tetezana lehibe iray ireto roalahy ka tsy tazan’ilay nitondra môtô.

Vao manakaiky anefa dia nipoitra izy ireo niaraka tamin’ny fitaovana efa nomaniny. Mba hampijanonana ity môtô dia novelesina teny am-pandehanana teo amin’ny tongony ilay tovolahy ka nianjera avy hatrany. Nipitika tany anaty fotaka ity voavely vy maranitra. Mandra-pitsangany anefa dia efa tsy teo intsony ilay môtô nentiny.

Tsy niandry ela mantsy ireto jiolahy fa avy hatrany dia nitondra izany nitsoaka. Ity voaroba moa dia avy namonjy fety tany am-piasana ka tratra alina. Nanampy ny fahavoazany teto ny ratra mafy nahazo azy taorinan’ilay vely vy maranitra. Tsy misy jiro manazava ihany koa moa ny lalana ka mora ho an’ireo jiolahy ny manao ny asa ratsiny. Niezaka nanenjika ihany ny olona sendra nandalo fa tsy nahita mangirana intsony, ny fotoana rahateo efa alina. Nanjaka tatoato ny fanendahana an’ireny mpandeha kodiaran-droa ireny ka mila mitandrina.

Kanto R. (Stagiaire)

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg