logo Moov
           Nocomment
Tsiroanomandidy : Olona fito nalain’ny dahalo mirongo « kalach » an-keriny
(15-03-2017) - Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina dia notafihana andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana maherivaika, toy ny basy « kalach », ny tanan’Ankavandrakely, eo anelanelan’i Bemahatazana sy Belobaka.
Efa manova tetika tanteraka amin’izao ny dahalo. Maka tahaka ny fomba fanaon’ny jiolahy aty Andrenivohitra : maka an-keriny sy manao takalon’aina ! Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina dia notafihana andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana maherivaika, toy ny basy « kalach », ny tanan’Ankavandrakely, eo anelanelan’i Bemahatazana sy Belobaka. « Norobain’ireo jiolahy ireo ny omby 76 an’olona maromaro tao an-tanàna. Tsy vitanizany fa dia mbola nitondra takalonaina miisa 7 (lehilahy 3 ary vehivavy 4) koa izy ireo mba hampihemotra ireo mikasa hanara-dia satria nandrahona ny hamono azy ireo ireo malaso raha misy mikasa hanao izany » hoy ny vaovao avy amin’ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany anefa ireo fokonolona sy ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Bongolava nanara-dia ireto andian-dahalo. « Adim-pamataranandro 11 monja taorian’io fanafihana dia raikitra ny fifampitifirana rehafa tratran’ireo mpanara-dia ireo iretsy dahalo nitondra omby halatra ».

Tany amin’ny 30 km atsimon’ny tanan’Andranomangatsiaka, efa hihazo ny faritr’i Menabe no nitrangan’ity fifandonana maherivaika teo amina andian-dahalo sy ireo mpanara-dia ity. Nihemotra avy hatrany moa iretsy voalohany rehefa tena hitan’izy ireo fa vonona sy sahy iretsy farany. « Nisy ny naman’ireo dahalo ireo mbola nobatainy izay mety ho maratra ny fahitana azy avy lavitra ary nisy kosa efatra (04) tamin’izy ireo no lavo ka tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony. Avotra avokoa tetsy andanin’izany ireo takalonaina ary tafaverina sy efa nomena ny tompony manontolo ny omby rehetra voaroba » hoy hatrany ny vaovao. Mbola mitohy kosa anefa na izany aza ny fikaroham-baovao mahakasika ireto dahalo ireto araka ny fantatra hatrany.

m.L


Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg