logo Moov
           Nocomment
Karàna voatifitra tetsy Ambatobe : Bala telo no nesorina tao aminy, voa ny mason’ny zanany
(15-03-2017) - Efa mihatsara ny fahasalaman’i Dilavarhoussen Reza Mamod sy ny zanany. Na izany aza mbola arahi-maso ao amin’ny toeram-pitsaboana ao Maurice ny toe-pahasalaman’izy mianaka
Bala telo no nesorina tao amin’ny rainy ary ny zanany kosa dia andrasana ho lehibe vao hoesorina ny bala ao amin’ny lamosiny. Io farany dia voan’ny piti-bala tany amin’ny masony ihany koa. Teo amin’ny masony havia, raha araka ny vaovao azo. Ny 19 febroary teo izy mianaka no nisy nitifitra tetsy amin’ny fiakarana mizotra ho any amin’ny « Le Panoramique » etsy Ambatobe. Tifitra variraraka avy amin’ny fiara tsy mataho-dàlana izay nanenjika azy ireo raha araka ny fanazavan’ny vavolombelona nahita maso. Tsy fantatra mazava hatreto izay anton’ny fifofoana an’izy mianaka. Ny hany fantatra dia karàna mitazona hotely ao Antsiranana i Dilavarhoussen Reza Mamod ary niakatra teto Andrenivohitra izy sy ny zanany mba hanotrona ny vadiny izay nitondra vohoka.

Iray andro talohan’izay no nisehoan’ny fanafihana ary ny teto an-toerana aza dia efa nihevitra azy ho namoy ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Saingy voavonjy ara-potoana ary nentina avy hatrany tany Maurice rehefa nahazo ny fitsaboana avotr’aina voalohany tetsy amin’ny Hjra. Na teo aza izany rehetra izany dia nahazo vavikely ny tenany. Hatreto dia vehivavy sy lehilahy manao saron-tava saingy nisy nahatsikaritra fa miendrika ho vazaha sy sinoa no nahavanon-doza. Nisy ny nahatsikaritra fa nifanenjika avy tany ambany ny fiara ka teo amin’ny fiakarana no nosakanan’ilay fiara tsy mataho-dàlana izay nanao saron-tava ny olona tao anatiny. Tifitra variraraka avy hatrany. Arahina hatrany ny mety ho fivoaran’ny raharaha.

D.R


Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg