logo Moov
           Nocomment
Toamasina II : Voalaza ho mpanagalatra taolam-paty, matin’ny fitsaram-bahoaka
(16-03-2017) - Tsy misy fanazavana, tsy misy fanontaniana, tsy misy alaharo, fa vao voatondro ho mpanagalatra taolam-paty ilay tovolahy
Tsy misy fanazavana, tsy misy fanontaniana, tsy misy alaharo, fa vao voatondro ho mpanagalatra taolam-paty taorian’ny fanenjehan’ny fokonolona andian-jiolahy mpamaky fasana ny alatsinainy teo dia avy hatrany dia nanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka ilay tovolahy. Raha ny angom-baovao avy amin’ny vahoaka avy any an-toerana dia nisy andian-jiolahy valo be izao tsikaritry ny mponina tao Antetezambaro kaominina amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny ao anatin’ny Distrikan’i Toamasina II fa namaky ny fasandrazan’izy ireo. Raikitra avy hatrany ny antsoantso eran’ny Tanana dia nisy avy hatrany ny fanenjehana ireto andian-jiolahy mpamaky fasana ireto.

Voalaza ny vaovao tamin’izany fa tafaporitsaka ny fito lahy, fa ity iray kosa tratran’izy ireo izao na tsy nahitana na fitaovana sy taolam-paty iray aza tany aminy dia avy hatrany dia niharan’ny fahatezeran’ny fokonolona ary maty tsy tra-drano noho daroka sy fampijaliana nahazo azy. Vao nandre ny vaovao ireo zandary mpanara-maso ny lalam-pirenena faha-5 ao Ivoloina dia tonga nijery haingana ny zava-nisy, saingy tsy afa-nanohitra ny fokonolona; nandritra ny fahatongavan’izy ireo koa efa tsy nisy aina intsony ilay heverina ho mpangalatra taolam-paty. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny fatiny.

Malala Didier

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg