logo Moov
           Nocomment
Lalam-pirenena : Mpampianatra roa voatifitra tao anaty taxi-brousse
(16-03-2017) - Ny alin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny folo ora no nisy fiara mpitatitra (taxi-brousse) voasakan’ny jiolahy
Fanakanan-dàlana amin’ny lalam-pirenena indray. Ny alin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny folo ora no nisy fiara mpitatitra (taxi-brousse) voasakan’ny jiolahy. Teo amin’ny fokontany antsoina hoe Benangana ao amin’ny distrika Isandra. Miisa 13 izy ireo raha kely indrindra raha araka ny fanazavan’ny mpandeha ilay fiara fitaterana. Tsy vitan’izany fa mbola mitam-basy sy antsy ihany koa. Raikitra ny tifitra avy any ivelany. Lehilahy roa no niantefan’izany tao anaty fiara. Samy mpampianatra avokoa izy ireo. Tamin’ity fanafihana ity dia mba tsy nisy entana lasa, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra ary natao sava hao ny toerana teo amin’ny manodidina.

Raha araka ny fanampim-panazavana azo dia avy any Fianarantsoa ilay fiara ary hizotra mankany Anjoma-Itsara no io niharan’ny fanafihana io. Mpampianatra eo anivon’ny lycée ao an-toerana ireo naratra. Mivadika faritra mena tanteraka ny lalam-pirenena eto amintsika raha vao maizina ny andro. Efa betsaka ihany ny fepetra noraisina saingy tsy nahasakana mihitsy ny jiolahy tsy hanafika. Na ireo manao “caravane” aza indraindray dia mbola sahin’izy ireo ihany ny mandroba azy eny amin’ny lalam-pirenena. Vao tamin’ity volana lasa teo ihany koa no nisy mpitandro ny filaminana miasa ao Toliara no maty voatifitra tao anaty taxi-brousse teny amin’ny lalam-pirenena.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg