logo Moov
           Nocomment
Benenitra : Telo mianaka, lasan’ny rano niaraka tamin’ny tranony
(17-03-2017) - Fianakaviana iray no lasan'ny rano tany amin'ny distrikan'i Benenitra ny alahady alina teo
Telo mianaka (izy mivady sy ny zanak’izy ireo menavava vao valo volana monja) resin-tory tao an-tranony nandritra ny orambe nijojo, ny alin’ny alahady teo, tany amin’ny distrikan’i Benenitra, no lasan’ny rano niaraka amin’ny tranony, ka mbola tsy hita faty hatramin’izao, na dia teo aza ny fikarohana nataon’ny fokonolona teo an-tanàna sy ireo mponina manodidina amin’ny fokontany manamorona ny reniranon’i Maloto (mitohy amin’ny reniranon’ny Onilahy). Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia vokatry ny fiakaran’ny rano no nandraoka ity trano niorina manamorona an’ity renirano ity; izay vita amin’ny bozaka sy fotaka. Nentin’ny rano nivarina any an-drenirano niaraka amin’ilay trano izy telo mianaka niharan-doza tsy hita popoka ireto.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg