logo Moov
           Nocomment
Antaninarenina : Nohidin’ny pôlisy kaominaly , ny fiara maromaro
(17-03-2017) - Nasian'ireo polisy kaominaly hidiny ny kodiarana ny fiara tsy ahafahany mihetsika intsony
Ireo fiara nipetraka an-tsisin-dàlana no nasiana hidiny ny kodiarana ary tsy afaka nihetsika intsony. Omaly maraina no nanao izany ny pôlisy kaominaly ary teny amin’ny manodidina an’Antaninarenina no nanatontosany an’izany. Talanjona ny tompon’ny fiara raha nahita ny zava-misy, satria mbola tsy niainana teto Andrenivohitra ny toe-javatra toy izany.

Miteraka adihevitra roa karazany hatrany ny zava-misy. Ao ny midera ny ezak’ireo mpitandro ny filaminan’ny kaominina satria be loatra ny tsy manara-dalàna amin’ny fifamoivoizana sy ny fametrahana fiara eto amintsika. Ao koa anefa ny mahita, fa tsy tokony hasiana fanavahana rehefa hampiharina ny lalàna ary atao mandavan-taona. Saingy alohan’izany rehetra izany dia mba hasiana fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany, toa ny famoronana « parking » vaovao.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg