logo Moov
           Nocomment
Fikasana fitsaram-bahoaka : nateriny ny fokonolona teo amin’ny birao ny zandary ny razana
(20-03-2017) - Saika nivadika ho fitsaram-bahoaka ihany koa ny hatezeran’ny fokonolona tany Mananara Avaratra ny farany herinandro lasa teo.
Sahala tamin’ny zava-niseho tany Ambanja, fitakiana ny hamoahana olona tao amin’ny borigady ny zandary tao Mananara Avaratra no saika nivadika fitsaram-bahoaka. Ny hamoahan’ny mpitandro ny filaminana ilay nahavanon-doza ka nahafaty raim-pianakavina no nandrasany ny fokonolona. Ny farany herin’andro teo, tany Mananara Avaratra indray ity raharaha ity, saika nipoaka hatezeran’ny vahoaka. Nohididin’ny fokonolona ny borigadin’ny zandary. Efa nisy nampandre ny zandary tao an-toerana ka tsy nitazona ela ilay nahavanon-doza fa nalefan’izy ireo tany maroantsetra.

Malahelo ny tamin’ny zava niseho fa indrindra ny fomba namonoana ilay lehilahy ny fokonolona ka nateriny izy ireo manoloana ny borigady ny zandary ao Mananara avaratra ny razana, raha ny fanazavana dia fihetsika natao ampisehoana ny tsy fankatoavana sy ny tsy rariny tamin’ny fomba namonoana ny mpiara belona azy ireo no antony.

Tsy misy hitokisana

Tsy mitsaha-mitombo ary saika any amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara dia ahitana fitsaram-bahoaka avokoa. Antony, tsy mahatoky intsony ny rafitra natao hiaro azy ny malagasy, isan’izany ny rafi-pitsarana sy ny mpitandron’ny filaminana, izy ireny natao hiaro indray ankehitriny no atao heri-pamoretana sy ampihorohoroana ny mponina raha ny zava niseho tany antsakabary no jerena herinandro vitsy lasa izay. Ny asabotsy lasa teo, nisy ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpisehatra maro nandinihana ny fitsaram-bahoaka, nivoitra tamin’izany araky ny nambaran’i Imbiky Anaclet fa tokony hiverina ny dinam-pokonolona ahafahana mampihena ny fitsaram-bahoaka.

Ayan



© Moov.mg
Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg