logo Moov
           Nocomment
Sambava: Moto nirimorimo fandeha nifatratra tamin’ny 4×4, tovolahy iray maty tsy tra-drano
(21-03-2017) - Moto nirimorimo fandeha nifatratra tamin’ny 4×4, tovolahy iray maty tsy tra-drano
Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, nitondra moto nirimorimo fandeha no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana, ny tolakandron’ny zoma teo, tamin’ny 4ora, raha iny hiditra ny tanànan’Ambohimanarina Lokoho, any amin’ny distrikan’i Sambava iny. Nosokirina tao ambanin’ny fiara 4×4 mihitsy ilay mpitondra moto nanao taingin-droa, raha nipitika lavitra kosa ny namany tao aoriana niaraka taminy izay naratra mafy.

Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nateti-pitranga ny loza-mpifamoivoizina amin’ny lalam-pirenena sady be fiolanana no feno fiakarana sy fidinana mampitohy an’i Sambava sy Andapa iny. Manampy trotraka ny lalana ihany koa ny ranontany sy ireo vatan-kazo nazeran’ny rivodoza Enawo farany teo iny, izay manery lalana ka lasa mampidi-doza.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg