logo Moov
           Nocomment
Sambava : Olona nahafaty tovolahy iray tao anaty fampakaram-bady, matin’ny fitsaram-bahoaka
(21-03-2017) - Lehilahy iray voasambotra namono nahafaty tovolahy iray tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy tao anaty fampakaram-bady, ny asabotsy tolakandro teo no matin’ny fitsaram-bahoaka
Nahazo laka tamina faritra maro teto amintsika ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Lehilahy iray voasambotra namono nahafaty tovolahy iray tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy tao anaty fampakaram-bady, ny asabotsy tolakandro teo, tany Marojala Bemalamatra, Kaominina Nosiarina, no matin’ny fitsaram-bahoaka, afak’omaly, tany Sambava. Rehefa nihosin-drà ilay tovolahy niharam-boina dia nentin’ny havany haingana namonjy hopitaly. Indrisy fa teny an-dalana dia tapitra tao anaty laka-motera lany solika teny afovoan-drano nitondra azy ilay voatsindrona andry. Maso solon’ny maso. Raha vao naheno ny vaovao ny fokonolona tany an-tanàna dia tezitra, ka raikitra avy hatrany ny valifaty tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka, ary tsy afa-bela ilay nahavanon-doza fa namoy ny ainy ihany koa. Talohan’ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, dia napetraky ny olona teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ny fatin’ity mpamono olona nifatotra tongotra aman-tanana. Maso solon’ny maso ! Lehilahy roa izany no indray maty tamin’ny fampakaram-bady ity, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg