logo Moov
           Nocomment
Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Mitohy ny fitetezana ireo faritra mafampana ataon’ny Zandary
(11-09-2017) - Nitohy tany amin’ireo faritra Melaky, Bongolava, Menabe, ary Atsimo Andrefana sy Ihorombe ny fidinana ifotony ataon’ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Foibem-pibaikoana ny faran’ny herinandro lasa teo.
Ho an’ny Melaky, Bongolava ary Menabe dia i Morafenobe nanaovana izany, izay notarihan’ny jeneraly Randriarimanana Mosesy, « directeur de la Police Judiciaire » eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimaria sy ny jeneraly Rakotobe Willy, lehiben’ny « Office de Lutte Contre la Corruption » eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Toy ny efa natao tany amin’ny faritra hafa dia fametrahana ny paikady sy ny toromarika avy amin’ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria hanarenana ny tsy fandriampahalemana, ny hampiharana ny fitsipika anatin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny fandinihina miaraka amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana hifehezana ny tsy fandriampahalemana isam-paritra no anton’izao hetsika izao. Nisy ny tsoan-kevitra niraisan’ireo mpandray anjara tamin’ity dinika ity toy ny hampandraisana andraikitra ireo fokonolona amin’ny fanomezan-tanana ny mpitandro filaminana sy ny fanomezam-baovao. Hisy araka izany ny fampitaovana sy ny famatsiana ireo mpitandro filaminana amin’ireo fitaovana misy any an-toerana. Hoan’ny faritra Atsimo Andrefana sy Ihorombe kosa dia tao Sakaraha no nandray ireo iraka notarihan’ny jeneraly Manjakavelo Léonard, lefitra faharoa ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny jeneraly Ratelo André, « directeur général de la sécurité routière ». Nandritra ny fihaonana tamin’ny vahoaka sy ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana dia niray feo ny rehetra fa hiara-hientana sy hifanome tanana amin’ny Zandarimariam-pirenena handresena ireo olon-dratsy.

T.M.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg