logo Moov
           Nocomment
Toliara : Jiolahy roa maty voatifitra
(13-09-2017) - Jiolahy roa efa ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary efa karohin’ny polisy hatry ny ela no maty voatifitra ny Alatsinainy 11 septambre lasa teo.
Araka ny vaovao, saika hanafika tao amin’ny fokontany Ankiembe, ao antampon-tananan’i Toliara izy ireo izao lavon’ny balan’ny polisy izao. Io Alatsinainy io, Nidina teny an-toerana ny polisy rehefa nahazo antso fa misy andian-jiolahy miomana ny hanafika ka manapoaka basy ao an-tanàna. Vao nahita ireo polisy anefa ireo jiolahy dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana ka nahalavo ireto jiolahy roa ireto. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray, antsy lava iray, saron-tava, ary vy fanapitsohana trano sy fanalahidy maro isan-karazany. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo tafaporitsaka.

T.M.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg