logo Moov
           Nocomment
Mpanao bala ao Betroka : Mitaky ny marina momba ireo akora simika sarona ny mponina
(14-09-2017) - Raha mbola eo am-panaovana ny famotorana mikasika ilay fahitana vovoka simika « chlorate de sodium » fanaovana bala tratra tao an-tranon’olon-tsotra tany Betroka ny zadary any an-toerana dia re izao fa misy ny fanangonan-tsonia ataon’ireo mponina mitaky ny mba hivoahan’ny marina momba iny raharaha iny.
Kilasiana ho akora stratejika ny « Chlorate de Sodium ». Ny orinasa mpanao dinamita sy fitaovam-piadiana toy ny « grenade » no tokony hividy sy hitahiry azy. Tsy maintsy nahazoana alalana tamin’ny Tompon’andraiki-panjakana voakasik’izany, toy ny Minisitera miadidy ny fiarovam-pirenena, ny fanafarana na fividianana. Manahy ny mponina any an-toerana sao ho very an-javony ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana fa azo eritreretina ny fisian’ny olona ambony sy mahitahita ao ambadik’izao. Fantatra rahateo fa ny andro nahatratrarana ireo akora ireo, dia nisy tamin’ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity no tafaporitsaka. Tamin’io andro io dia niala vao maraina be tao an-tanàna niaraka tamina olomboafidy iray any amin’iny faritra iny izy io, raha araka ny fanangonam-baovao avy amin’ny Zandary manao ny famontorana. Voalaza fa tao amin’ny tranon’ny mpiasan’ity olona ity (Gardien) no nahatratrarana ireo akora ireo.

T.M.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg