logo Moov
           Nocomment
Antsirabe : Dadabe nanolana zazavavikely 13 taona
(13-10-2017) - Antitra vao mivoatra gaigy ity rangahy be, zazavavikely vao 13 taona monja no nanaovany ny filan-dratsiny.
Tao an-tsena Sabotsy no nisehoan’ity tranga ity, ny Talata lasa teo. Raha ny fantatra dia fanindroany izao no nanolanany io zaza io. Tsy nisy nanam-po ny zavatra nataony ny manodidina rehetra, izy rahateo efa antitra. Efa mifankazatra amin’ilay zaza rahateo io lahiantitra io kanjo efa miharo tetidratsy ny hamorany. Voalaza fa tambatambazany amin’ny fanomezana kely hatrany io zaza io, io Talata maraina io nentiny tao ambany latabatra fivarotana iray ilay zaza ka tao no nanaovany ny filan-dratsiny. Tsikaritry ny mpivarotra sasany tao an-tsena ihany anefa ny nataony, saingy vetivety ilay io dia nanjavona tsy hitan’ny olona. Rehefa natao ny fikarohana, dia tratran’ny olona tao an-tsena ilay rangahy. Efa maro ny niaka- pofona ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay rangahy, saingy tonga aloha ny mpitandro filaminana. Ny tena nahatsikaiky ny maro ny fandrenesana ilay vadiny nilaza, fa hay ve ka mbola mahavita manao izany indray ilay rangahy.

Andry N.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg