logo Moov
           Nocomment
Maevatanana : Zandary iray maty voatifitry ny dahalo
(13-10-2017) - Zandary iray indray no lavo teo an-tanim-piadiany, raha nikasa ny handeha hanavotra olona voatafika, tao amin’ny kaominina Berivotra 5×5, ao amin’iny distrikan’i Maevatanana, ny harivan’ny alarobia lasa teo.
Raha ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana, dia nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’io tanana io, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Fivarotana, an’ny mpandraharaha iray tany an-toerana tamin’io fotoana io no lasibatry ny dahalo, izay tsy mbola fantatra isa hatreto ary mirongo basim-borona. Vola an-tapitrisany maro no lasa tamin’izay. Raha nandre an’io ny zandary tany an-toerana dia niolomay, handeha hanavotra ity voatafika ity. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary teo an-toerana anefa no teo an-dalam-pitsoahana mihitsy ireto olon-dratsy ireto. Raikitra teo ny fifampitifirana ka lavo tamin’izany ny zandary iray, mitondra ny gradina « adjudant ». Tsy nisy voa kosa ny tamin’ireo olon-dratsy, izay afa-nitsoaka tetsy andanin’izay. Taorian’io ihany, dia nisy ny nanara-dia ireto olon-dratsy ireto, ary tao kosa ny nitondra ity zandary mahery fo ity, tany amin’iny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Mbola mitohy araka izany ny hazalambo any an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo. Ilay zandary namoy ny ainy kosa dia fantatra, fa rehefa nomena voninahitra farany tao amin’iny tobin’ny vondron-tobim-pileovana tao Maevatana, dia naterina any an-tanindrazany, any Mandritsara.

m.L / Ratantely

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg