logo Moov
           Nocomment
Ambohijanaka : Mpanao kidnapping nitifitra nahafaty olona
(13-10-2017) - Tao anaty kirihitr’ala iray, tetsy Ambohijanaka, no nitifitra ireo olona izay nanatona azy ireo jiolahy nitam-basy izay saika hiafina tao. Iray tamin’ireo fokonolona no maty vokatr’izany.
Nandritry ny fitsoahan’ireo olon-dratsy dia mbola nanao tifitra variraraka ihany izy ireo. Nisy nahavita nampandre ny zandary anefa ary fotoana fohy taorian’izay dia raikitra ny fanarahan-dia. Nisy ny voasambotra tany anaty fiara fitaterana rehefa natsangana ny barazy teo amin’ny manodidina. Nisy koa ny voasambotra an-tongotra rehefa nisy ny fifanampiana tamin’ny olona izay nanoro ny làlan’ireo jiolahy. Miisa efatra ankehitriny no efa eo am-pelan-tanan’ny zandary ary nanokafana fanadihadiana noho ny vonoan’olona sy fikamban-jiolahy ary fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana. Mbola nisy naman’izy ireo roa hafa karohina ary ireo no tafatsoaka niaraka tamin’ny basy kalachnikov. Rehefa nandeha ny fanadihadiana azy ireo dia nivoaka fa nanao fakàna an-keriny olona izy ireo ary tao amin’ilay ala no toerana nanafenana voalohany izany. Rehefa tsikaritry ny olona anefa izany dia nivadika ny kajy rehetra ary voatery nanavo-tena ireo mpaka an-keriny noho ny tahotra fitsaram-bahoaka. Nanapoaka basy ary ilay olona (teratany malagasy) izay nalaina an-keriny dia votsotra koa. Mitohy ny fikarohana ny basy raha ny momba ity raharaha ity. Ny mahatalanjona ny zandary kosa dia ny tsy nametrahan’ilay olona izay voalaza fa nalaina an-keriny fitoriana hatramin’izao kanefa izy no anton’ny rehetra, raha tena zohiana ny zava-misy.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg