logo Moov
           Nocomment
Olona voan’ny pesta saika hitsoaka : Maty tao anaty fiara taxi-brousse
(13-10-2017) - Isan’ny loza mitatao amin’ny fiparitahan’ny aretina pesta izay efa manomboka voafehy ankehitriny ny fandosirana hopitaly sy ireo marary tsy manantona toeram-pitsaboana izay mbola mitsoaka mamonjy tanindrazana ihany koa, hoy ireo komitin’ny pesta eto Toamasina
Taorian’ilay sakoroka teo amin’ny BMH sy ny fianakavian’ny matin’ny pesta tao Tanambao V izay nahatonga ny fampiasan-kerin’ny Emmo-Reg mihintsy vao voalevina ara-pahasalamana ilay tovolahy maty, dia tranga iray hafa no niseho teto Toamasina omaly alina. Nisy tovolahy mpitondra posy iray antsoina hoe Léonard 35 taona no voan’ny pesta tao Morarano P/elle 21/15 lot 41 CNM tamin’ity herinandro ity. Vao fantany anefa fa tratran’ity aretina ity ny tenany dia namporosihan’ny fianakaviany handositra hamonjy ny tanindrazany any Vangaindrano sao maty ka ho “very faty” izany eto Toamasina. Ny alarobia alina no nikasa ny hody any Vangaindrano ny tenany ka nitaingina ny kaoperativa “FIFIABE”, saingy tao Anjiro Moramanga dia maty ity tovolahy ity, nefa mpandeha am-polony no iray fiara taminy hiazo ny faritra atsimo Atsinanana iny ihany koa. Voatery nandray ny andraikiny ny komitin’ny fahasalamana tao Moramanga mikasika ny fatin’ity tovolahy ity, sy ireo mpandeha niaraka taminy. Ny nahagaga anefa raha tonga nizaha ny fianakaviany monina ao Morarano ny komity eto Toamasina dia tsy nisy na iray aza sahy nilaza ho havan’ity tovolahy matin’ny pesta tao Anjiron’i Moramanga ity, nefa loza mitatao amin’ny fiparitahan’ny aretina izy ireo izao. Vokatra izany dia mamerina ny antso avo nataony hatrany ny komity eto Toamasina fa aretina tsy mahamenatra ny pesta, aretina azo tsaboina tsara sy maimaim-poana ny fitsaboana azy ihany koa, ary raha maharaka hatramin’ny farany ny 08 andro ny fitsaboana dia tsy misy ny atahorana hamindra intsony ireo voany ary ampy ny fanafody misy. Ankoatra izay dia ho tonga eto Toamasina anio ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka anio zoma, hitondra fanampiana ara-pitaovana ihany koa sy hitondra mpitsabo hanampy amin’ny fifehezana ny valan’ertina pesta eto Toamasina, izay efa hita ihany ny fivoaran’ny hetsika natao hatramin’izay.

Malala Didier

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg