logo Moov
           Nocomment
Ambanja : Olona 3 matin’ny rivodoza AVA, 91%-n’ny tanimbary potika
(11-01-2018) - Vokatry ny rotsak’orana tsy an-kiato nentin’ny rivodoza Ava dia tsy mitsaha-miakatra ny haavon’ny reniranon’i Sambirano, ka mandrava tanàna maro.

Araka ny loharanom-baovao voaray avy any Matsaborilava sy Ampahakabe, ao amin’ny kaominina ambanivotra Ambohimena, Distrikan’ Ambanja, dia olona telo no maty, ary difotry ny rano ny trano rehetra. Namela takaitra ratsy tao amin’ny Kaominina Ankatafa ihany koa ny rotsak’orana nentin’ny Ava, ka trano fonenana miisa 1 431 dobo rano, olona miisa 5 284 traboina, ary 91%-n’ny tanimbary simba tanteraka. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza iny, dia niakatra avokoa ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro any amin’ny Faritra Diana.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg