logo Moov
           Nocomment
Anosibe : Voasambotra ilay mpanendaka mpitaingina moto
(12-01-2018) - Tovolahy iray 24 taona no voasambotry ny polisy teny Anosibe, raha saika hanendaka olona nitaingina moto, ny 10 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina.

Polisy manao fanamiana sivily nandeha fiara mpitatitra no nahatazana azy nanaraka sy namoha ny sakaosy nobaben’ilay lehilahy nitaingina moto teny an-dalana. Nidina ny fiara avy hatrany ilay polisy ka nanenjika ity mpanao ratsy izay tsy lasa lavitra dia voasambotra. Nandritra ny famotorana azy tao amin’ny kaomisaria Mahamasina no nahafantarana, fa efa mpamerin-keloka ny tovolahy. Vao 13 taona monja izy dia efa mpanendaka. Efa in-telo izy no niditra am-ponja noho ny resaka fanendahana hatrany. Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja eny Antanimora.


T.M.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg