logo Moov
           Nocomment
Mahajanga : Dahalo 31 maty lavon’ny bala, basy 18 azon’ny mpitandro filaminana
(12-01-2018) - Dahalo 31 maty lavo nandritra ny fifanjevoana, 50 hafa voasambotra. Omby 1607 no very ka ny 1122 tamin’ireo no tafaverina tamin’ny tompony.

Basy miisa 18 no azo teny an-tanan’ireo dahalo sy sarona nandritra ny fisavana ka ny 5 amin’ireo basy vita gasy, ny 12 “calibre 12” ary ny roa PA. Araka tati-baovao azo, dia ny Faritra Betsiboka sy Melaky no tena faritra mena nahitana asan-dahalo sy halatr’omby betsaka indrindra, tamin’ ny taona 2017 iny. Noho ny firongatry ny halatr’omby, dia nahatratra 24 ny fangatahana vaovao ahazo miaramila hanao DAS any amin’ireo kaominina ambanivohitra izay tsy mbola manana biraon’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy maharaka ny fangatahana ny isan’ny miaramila azo alefa mamita iraka any ambanivohitra mampandry fahalemana.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg