logo Moov
           Nocomment
Raharaha Tany Gasy : Hirotsaka hiaro ireo voasoloky i Paolo Raholinarivo
(08-02-2018) - Manoloana ny fitarainan’ireo olona miisa 3600 voasoloky tamin’ilay resaka varotra tany tao anatin’ilay tetik’asa antsoina hoe « Tany Gasy » dia nanambara Andriamatoa Solonavalona Paolo Raholinarivo fa hirotsaka hampanjaka ny rariny ao anatin’ity raharaha ity.

Nambaran’ity mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier ity fa tsy rariny raha ny vahoaka madinika no hizaka ny hadalan’ireo tsy mpanara-dalàna, mpisoloky, mpanodokodina ny harem-pirenena, ary mpanao kely tsy mba mamindro toy izao mahazo ireto olona izao.

Nomarihiny fa tsy misy resaka politika no nandraisany izao fanapaha-kevitra izao fa noho ny fahatsapany fa adidiny ny manao izany amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ka saro-piaro amin’ny hoavin’ny mpiray tanindrazana aminy. Nambarany fa tokony handray andraikitra izay rehetra milaza fa manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ka karamain’ireo mpandoha hetra mba hahafahana misambotra ilay mpandraharaha voalaza fa tompon’antoka tamin’izao raharaha izao.


T.M.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg