logo Moov
           Nocomment
Sakaraha : Maty nofirain-drangahy ny vadiny noho ny vola
(13-04-2018) - Nitrangana vono olona indray tany Sakaraha, afak’omaly alina. Raha ny fantatra, dia disadisa ara-bola teo amin’ny mpivady efa mpiady lava no niafara tamin’ny vono olona.

Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava ny kotaba sy adin’ireto mpivady, fa nofirafirain-drangahy nentin-katezerana tamin’ny antsy lava teo amin’ny tendany sy ny sandriny havanana ary nanandrify ny lamosiny ramatoa, ka nihijitra eran’ny trano ny rà. Nikiakiaka mafy niantso vonjy ity renim-pianakaviana niharan’ny vono ity, ka io no nanaitra ny mpiara-monina.

Noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka dia vaky nandositra kosa ilay lehilahy nahavanon-doza, ka mbola karohina fatratra amin’izao. Nifamonjena haingana namonjy hopitaly kosa ity vehivavy niharam-boina, kanefa teny an-dalana dia tapitra ny ainy noho ny fahavezeran-drà be loatra, hoy ny vaovao.


Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg