logo Moov
           Nocomment
Antalaha : MD ilay mpampianatra nanapoizina
(13-04-2018) - Niakatra Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha afak’omaly, ilay raharaha fanapoizinana tamin’ny sakafo : izay nitranga tany amin’ny ZAP Farahalana, ny 8 Martsa lasa teo.

Ny 6 aprily teo no nosamborin’ny Zandary avy ao amin’ny “Poste Avancé” Farahalana ny lehilahy iray mpampianatry ny EPP Antanandronono, izay voarohirohy ho nandatsaka asidra tao anaty zava-pisotro nosotroin’ny mpampianatra namany niara-nisotro taminy nandritra ny fanasana nataon’ireo Fikambanam-behivavy tany an-toerana an’ ireto mpampianatra. Ny ampitson’io (9 martsa) tamin’ny 11ora antoandro, dia nitaraina ho narary ary nandoa sy nivalana sady safotra tsy nahatsiaro tena in-telo ilay mpampianatra voapoizina, izay mitazona kilasy T3, ary niditra hopitaly nandritra ny tapa-bolana.

Fialonana. Rehefa nivoaka ny hopitaly ilay mpampianatra voapoizina, dia nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana, ary ity mpampianatra ENF mpiara-miasa aminy ity ihany no notazoniny ho nahavanon-doza nanapoizina azy noho ny fialonana. Vokatr’ity raharaha ity, dia mitaraina mafy sady misedra olana lehibe amin’izao nyTalen’ ity sekolim-panjakana ity, satria tsy misy afa-tsy izy irery sisa no mitazona ny kilasy T1 ka hatramin’ny T5, izay misy mpianatra 116. « Tsy mbola afaka miasa ilay mpampianatra voapoizina. Ny vadiny izay mpampianatra ihany koa tsy afaka miasa, fa mikarakara an-dramose tsy salama » ,hoy ity mpanabe ity nampita ny vaovao taminay.


Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg