logo Moov
           Nocomment
Tsiroanomandidy : Basy vita gasy miisa 8 tratra tao Vohimasina, lehilahy iray naiditra am-ponja
(17-05-2018) - Rehefa nandalo Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Tsiroanomandidy, ny 14 mey teo, ny lehilahy iray mpanamboatra basy vita gasy voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Belobaka, ny Sabotsy lasa teo, tany amin’ny Fokontany Vohimasina, Kaominina Ambanivohitry Belobaka

Nandritra ny fisavan’ny Zandary, dia tra-tehaka tao an-tranon’ity raim-pianakaviana ity ny basy miisa valo niaraka tamin’ireo akora sy fitaovana maromaro fanamboarana izany, ka tsy afa-niala intsony izy.

Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo nitorika ny fisian’ olona manamboatra sy mivarotra basy tao an-tanàna no nirosoan’ny Zandary tamin’ny fisavana ny tranon’ity voarohirohy. Ny Zandarimariam-pirenena dia maneho ny fisaorana hatrany ho an’ireo olona miara-miasa aminy manampy amin’ny fanomezam-baovao mba hisorohana ny ratsy ka hisian’ny fandriampahalemana maharitra, satria raharahan’ny rehetra ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana.


Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg