Vous êtes ici

Sahirana ity Reny niteraka, dia nomeny olona nitady zaza ilay zanany, taona vitsy taty aoriana anefa dia maty ity Reny nanangana dia niady irery teny ilay Ray zay efa voadoan'ny aditsaina maro : ny faniriana te hananjanaka hatry ny ela, tsy fahasalaman' vady nandritra ny taona maro ary zao niafara tamin'ny fahafatesana zao. Nifanena tamin'ny vehivavy ary izy taty aoriana ary dia nifankatia tamin'io vehivavy io.
Ny olana anefa dia hita fa tsy mankasitraka ilay zaza, hany ka maneho ny heviny amin'ny herisetra any ampianarana, hakamona hianatra, famalivaliana sns
Tany amboalohany dia mbola compréhensive Ramatoa raha nahare ny tantaran'izy mianaka dia nalahelo ary raikipitia, nahatasapa fa mila fitiavana, mila beazina ity zaza ary tolorana fitiavana Rangahy, fa saingy arakaraky ny nitoamboan'ny taonan'ilay zaza dia mitombo ihany koa ny tsy fitiavany ilay Rtoa. Nanapakevitra ilay Ramatoa ny nampadefitra ny fitiavany ary niataka rehefa nanao zay azony natao tamin'izy mianaka mba tsy hankarary fo azy sy ilay zaza.
Fehiny :
1-Ilay zaza :
Efa nalahaha fa tsy reniny ity miaraka amin’ny rainy dia saro-piaro ny fitiavandrainy izy
Zaza efa gaté teo amin’ny Rainy sy reniny koa izy, ary efa zatra nisy mpanampy tao antrano
ka nony tonga ny olom-baovao dia tsy manaiky ny discipline apetraka izy
2-Ny Rainy :
Tsy mandray ny andraikiny, mapanara-po zaza hany ka ny olona tonga ampitiavana indray no lasa fahavalo voalohan’ilay zaza
Ahoana ny fitiavana amin’zao ?
Raha vehivavy ianao ka mipetraka eo amin’ilay toeran’ilay Ramatoa dia inona no nataonao ?
Raha lehilahy ianao no mamaky ity ka mipetraka eo amin’ny toeran’ilay Rangahy dia inona no nataonao ?

Par : Kajy
Lhl no manoratra: tena grave
Lhl no manoratra: tena grave le situation misy, tsapa nefa fa tena tia ilay ramatoa taty aoriana, nefa koa ny zanaka ts azo ariana! raha teo am toerako aloha dia tena nolazaiko ny marina ilay zaza " tsy eo intsony ny reninao ka mila mionona ianao, izaho rainao tsy vitako ny miaina ts misy vady ka ts hisaraka aminy aho satria izzy ary mb mitia atsika roa ato atrano, aza migafy ianao ry zanako fa ny hoavinao tsinjovina, ary tsarovy ry zanako vavy fa tsy hisy olona hisolo ny toeran-dreninao izany! Vadin'i dada vaovao fotsiny iany izy " Raha toa moa tsy manaiky izany ity zaza dia mila mampiseho discipline aminy ianao ary manohana azy hatrany mba hanekeny ilay fitiavana vaovao!
Par : Karmen
Vhv no manoratra: raha toa
Vhv no manoratra: raha toa tsy eken'ilay zazavavy mihitsy ny fiarahana misy eo amiko sy ny rainy dia ekeko ny reaction any saingy noho ny fahalalako ny tantarany dia ts ho sarahiko ny rainy satria samy mampalahelo izy roa ka mila fitiavana sy fanohanana ara tsaina! Mivavaka hatrany mb hiova ny fomba fijerin'ilay zanaka vavy ahy !
Par : Tina
Vhv no manoratra: mitovy cas
Vhv no manoratra: mitovy cas isika roa, vhv tokatena zah no mitaiza Zaza natsangana, ny olanako indray de izy no mitady Ray satria ny any ampianarana hono manana dada daholo ny ankizy ka hany lasa manongo tena irery aho hoe ho zakan'ny olona miaraka amiko marina ve ny hitoetra eo amin'ny toeran'ny Ray, de raha zah no teo amin'ny place nao dia mbola mila ny fitiavanao Io Zaza Io, ataovy tsapany eo amin'ny fiainany fa mila reny mikarakara izy, anotanio hatrany ny heviny hoe afaka maka neny amzay ve dada, miaraha amin'olona tianao fa aza mbola aseho azy aloha fa asehoy tsikelikely dia anontanio hatrany ny heviny, raha tena efa nahatsiaro ny fitiavan'ny reniny efa Maty Io ny zanakao dia normale zany réaction zany, tsy ho zakany ny hahita vehivavi hafa handimby ny toeran'ny reniny raha tsy ampiomaninao ny sainy, raha te hanana Io zanakao Io hiraikimpo aminao ianao de aza atao ny mandratra fo azy sao any aorina ho lasa handao anao Io rehefa hahalala ny tantarany Zay ianao vao manenina, zah zao de zany ny olana tsy mbola iarahako amin'ny lehilahi sao de tsy ho zakany, aleoko aloha alaina tsara ny fony, izao izy efa mitady dada de anjarako sisa no misafidy ny lehilahi hiarahako ary hahazaka azy.. courage fa tsy mora ny mitoetra eo am toeranao nefa vo may tsy mora ny mitoetra eo am toeran'ilay Zaza raha mahita anao miaraka am vhv hafa
Par : zaiany
Kajy :
Kajy : lahy kely aloha ilay zaza, toy zany hevitrao zany no nambara tamin'ilay Ray hoe : mba resaho io zaza io, ampianaro ahafantatra mba hiomanan'ny sainy fa ianao dia tsy maintsy hifankatia amin'ny olona hafa, fa manana ny fiheverany ilay rangahy namaly hoe avelao izy ho zatra fotsiny amin'zao, tsy foiny tenenina ilay zaza, ka ny ezaka sy ny approche dia manjary mandeha irery…. Mihena anefa ny hafanam-po rehefa ela ny ela... Karmen : Marina ny voalazanao, comphréhensible tokoa ny cas n'izy mianaka, tsapa tokoa fa mila fitiavana izy ireo. Tsy mandry ny eritreritra indraindray hoe iza tokoa moa zany no mba hikarakara ity zaza ity ? dia raha tsy hanao intsony ny tena fa avela amin'zay hitaizan-dRainy azy ao dia hania ny zaza, satria efa hita fa miha mi-devier izy zao ny lalany... Rehefa tena ao anatiny anefa, amin'ny maha olombelona dia mamary ihany ny fo na dia tiana tahaka ny inona aza izy ireo. Ny fanapahan-kevitra dia ny namela azy mianaka hifampikarakara ao, manoro hevitra raha mety aminy... Ny zaza aloha dia tsy manan-tsiny amin'ny toetra asehony satria fantatra ny nahazo azy sy vokatry ny fitaizana teo aloha, nefa na izany aza efa miova ny fianana, tokony hitombo ny saina, ny fianarana indrindra ny fahendrena... Ny Rainy kosa?? mieritreritra izy hoe rehefa hifankatia amin'ity olona ity aho dia ilay olom-baovao no tena antenainy hanova zavatra? sao dia tia tena? tsy mety... lasa fahavalo voalohan'ilay zaza ianao raha vao miteny... Mba misy maha tsapa ve hoe mampary fo ange ilay mandefitra lava indrindra eo anatrehan'ny zavatra tsy mety.... efa mifampiresaka fa tsy mamaly Rainy, tsy hamerina matetika intsony koa sao mankaleo....ny tena no mbola afaka misaina dia misintaka ary tsy handrava ny fiarahan'izy mianaka...... Ny fitiavana??? tsy fantatra intsony mbola misy hafanana ve?

Ajouter un commentaire

3 + 10 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.