Vous êtes ici

Miarahaba ny rehetra ny tenako

Mitady fanampiana aminareo namana rehetra ny tenako (tsy voatery ho vola akory izany fa na hevitra na vavaka dia tena ilaiko tokoa) satria marary ny vadiko, rehefa nentina niditra hopitaly izy izay resaka glycemie miakatra no tena nidirany dia nampanaovin'ny docteur fond d’œil izahay. Teo no hita fa miakatra be ny tension oculaire-ny (72 ono nefa eo @ 16 eo no normal) ary tapaka ny lalan-dra eo @ masony gauche "glaucome néovasculaire" no mahazo azy ary tsy azo avotana intsony io masony io fa tsy afaka ny hahita intsony saingy mila vonoina maika be satria manaintaina azy ny lohany havia rehetra sy io masony io noho ny ra mivaingana ao @ lohany nefa hatreto noho ny tension-ny sy ny glycémie mbola ambony loatra dia mbola tsy afaka manao izany izy ireo fa asainy mampiasa collyre sy minana fanafody izay tena sarotra tadiavina no lafo vidy (eo ho eo @ 116000Ar isaky ny 6jours ny valeur-ny).
Ny masony havanana kosa dia "décollement rétinien" no mahazo azy ary mila didina farak'izay haingana mba hisorohana ny fahajambana tanteraka satria efa tena manjavona io masony io @zao.
Hopitaly iray eny Ambatoroka ihany no mahavita io chirurgie io eto Madagascar. Niezaka nanontany ireo clinique sy institut maro hafa izahay niala nenina satria tena tsy zaka ny prix t@ proforma nomen'ilay hopitaly teny Ambatoroka io (eny tonga hatrany @ province) saingy nilaza avokoa izy ireo fa tsy misy mahavita io "décollement" io fa ra tsy hande eny Ambatoroka dia entina any ivelany.

Eo indrindra ny olana satria ny maso izany dia tena ilaina eo @ olombelona, hatreto aloha dia ny hoenti-manana no tsy ampy ka izany no iangaviako fanampiana aminareo namana sao mba mahita moyen ianareo fa tena veri-hevitra izahay.

Dia misaotra anareo mialoha ny tenako

Par : anonyme
Mitondra ambavaka anareo. Tsy
Mitondra ambavaka anareo. Tsy misy vahaolana afatsy izay proposen'ny dokotera aloha raha resaka toy izany. Fa ny sakafo manatsara ny maso atao au max sao mba misy fanavotana azo atao, carotte tena atao jus, izay misy vitamine A rehetra. Matetika mantsy rehefa marary dia varina am sakafo efa mahazatra fona. Mirary soa indrindra
Par : za iany e
Misaotra anao nankahery. Ny
Misaotra anao nankahery. Ny olana kely dia noho izy diabetique ka ny sakafo maha-tsara maso dia mambitombo glycemie daholo (oh io jus de carotte voalazanao io). Tsy hita e, tena sarotra
Par : bl
Eo Mahazo, misy centre
Eo Mahazo, misy centre fijerena maso, anisa'ny tena mahay raha eto antananarivo. Misy tsy vitan'io ambatoroka io ary alefa zareo eny Mahazo
Par : za iany e
Bonjour, IVM no anaran'ilay
Bonjour, IVM no anaran'ilay eo mahazo ary efa teny koa izahay fa tsy vitany ilay izy e Efa tapitra naleha daholo eny h@ any Fianarantsoa aza saingy tsy misy mahavita. Misy sary sy B Scan ary OCT izay asain'ilay eny Ambatoroka ataonay halefa any ivelany ka jeren'ireo expert any ivelany hoe mbola azo atao ve ny fandidiana alohan'ny hahatongavan'izireo aty hanao azy saingy tena ny vola no tsy ampy e.

Ajouter un commentaire

1 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.