Vous êtes ici

Salama tompoko,Biriky firy isa kay ny 1m2 raha mur 35?Dalle beton 15m/10m tokony aotrinina no lany ary inona avy ireo fitaovana lany Misaotra indrindra

Miarahaba,Mikasa hanorina any aoriana, saingy toa nisy fasana ngamba (tsy dia fantatra fa efa ela lay tany) fa misy vato milampy be sy mitsangana toa rindrina, rehefa nihady teo amin'ny 60 cm teo fa saika hanao lavapako aloha (bio). Efa nisy nilaza ihany ary rehefa nihady teny dia nahita taolana di nafindra; fa ity fasana vato be ity??? Mangataka hevitra!

slt !misy tany amidy ao Foulpointe 1ha mahery 85 mille fr ny m2, titré borné,au bord de la mer mety tsara hanaovana maison d?hôtes o, sode misy liana

Miarahaba antsika rehetra ato,inona kay ny maha samihafa an'ireo : tôle profile, galva? Misy pivarotra tafo hitako ato zao oe 0,25 mm de 0,30 mm de 0,40 mm misy galva de le matevina indrindra 0,50mm tsisy galva, inona zany le galva? De iza no tsara amreo raha hividy tafo? De mety mbola misy matevina noho io 0,50 mm io vé? Misaotra indrindra

Miarahaba antsika rehetra aiza no mety ahitan tafo tanimanga tsara,na tafo fanitso tsy dia maneno be.

Arahaba ho antsika rehetra.Sujet efa nisy nametraka(2015)fa averiko indray satria efa 2018 isika izao.Mila manolo tafo @ny maintany, any @ny mois de Mai any.Dia mba hanontany hoe: misy mpivarotra ve manodidina an'i Talatamaty, Ivato afahana mividy tafo (qualité/prix) azo hidirana.Tafo fanitso no resaka eto, 0.50 na 0.60 ny hateviny.Hialana @ny frais de transport satria raha Tanjombato na Andravoahangy mety mora fa mitombo ny vidiny raha miampy frais de transport ho eny Talatamaty.

Miarahaba antsika rehetra, mba mangataka torohevitra amintsika fa hanafo trano izahay dia te hahalala hoe taiza avy ianareo no nividy, ny vidiny, ny hatsarany, ny mombamomba ny tafo mihintsy raha sitrakareo, Mankasitraka tompoko !

Miarahaba antsika rehetra !Mikasa ny hanafo trano izahay dia tena very hevitra be amin'ny safidy ! Sao dia mba afaka mizara eto isika ny amin'ny mpivarotra, ny hamafiny, ny vidiny, sns ! Mankasitraka indrindra tompoko !

miarahaba ,hividy superposé ilay 2 places ny ao ambany d une place ny ambony ka ho anareo mividy sa mampanambotra no mety,ny trano somary teritery ka izay no nisafidianana superposé,misaotra antsika mamaly

Salama, tena latsaka be foana ny tension Jirama eny aminay, tafidina any @ 140v ary tsy miohatran,ny 165v, tsy maintsy nampiasa stabilisateurs nefa indrisy fa maty tsikelikely ireo stabilisateurs ireo, sao d mba mahita mpanamboatra ny simba ianareo na koa mpivarotra @ ilay azo idirana tsara azfd. Misaotra mialoha o.

Pages