Vous êtes ici

Restriciton si mineur: 

[maman1] - tiako sarahina nono by zanako a efa 2taona inona kay no tokony ataoko lasa tsy mazoto misakafo izy fa miantehitra be @ nono merci

[te hifampizara] - Miarahaba atsika o, betsaka ihany ny gygy fantatra eto, tamin'ny bébé1 aho tao @ste fleur no nanao suivi sy niteraka. tsy ilay gygy nanao suivi (dr Fara) no nampiteraka fa hoe raha sanatria alina no teraka dia izay dokotera eo no mampiteraka, inona tokoa fa tena alina no teraka ka dia ny interne sy ny medecin de garde teo no nampiteraka.

nandrasana indray ny bébé2 dia hoe aleo mbà izay dokotera tonga dia sure fa mampiteraka na atoandro na alina no aleha. Enjana ny fotoana fiandrasana azy, adiny 2 na 3 foana no very isaky ny consultation satria be mpilahatra be ao aminy.

[jeunemaman] - Izaho reto zao 26 ans,mitondra ny zanako faha3,andray 5mois eo ny kibo fa tena marary valahana be izay tsisy otrzany aho.
Ny asako mipetraka foana ary efa miezaka mitsangatsangana isakin'ny 2heures fa ndraindray tena mila tsy hahafindra ny tongotro amin'ilay izy,mivadika ao ampandriana zany dia tena mila hiantso vonjeo,mandeha dokotera dia baume an homepharma no omeny fa toa tsy efficace akory.
Mba mety misy mahalala ny antony sy ny fikafika ialana amin'izany ve azafady tompoko fa mahatsiaro mijaly.
Misaotra ny mamaly.

[Miso] - Miarahaba atsika rehetra,

Inona no mba hevitrareo fa ny vadiko tsy an'asa 6 mois izay:
manan-janaka 1 izahay,izy niala tamin'ny asany teo aloha fa hoe : leo be hono izy dia te hiova zavatra hafa atao nefa hatramin'izao nefa izy mbola tsy nahita
Izaho irery no miasa,mahavelona anay ny karamako fa tsapako miady irery aho.sady menatra no sorena indray2.
sao misy cas ohatra an'izay dia inona no vaha olana fa tsy mahita asa izy,nefa sitrapony ihany no te hiala.

[izaho] - salama, inona avy ny taratasy ilaina rehetra raha hisoram-panambadiana amin'ny firaisana?
miampy ny an'ny vavolombelona?
misaotra indrindra.

[karbonetra_] - manahoana daholo,

Ahoana no amantarana fa nasina karbonetra ny vary ? ary inona avy no mety voka-dratsy amin'ny fihinanana vary misy karbonetra ?

misaotra betsaka

[Mila] - Nisy olana nandritra ny fahatanorana dia tsy nisy ankizy, izao efa 40 taona mahery maniry ny hananjanaka na irery aza fa tsy hita izay atao. Misy ny amelomana azy fa ny fo no matahotra sao hijaly ny zaza. Misaotra antsika rehetra.

[Rika] - Salama daholo, ho fintiniko farakizay fohy. Aona ny hevitrao ?
Nisy ftôna nampirafy i Ramose, niaritra tena fona i Madama. Afapo i Ramose d nanajanona ny fampirafesany, nefa i Madama indray no nanao avy eo, nampirafy andRamose. Fantatry ramose fa mampirafy madama. Nangataka fisarahana i Madama fa i Ramose tsy nety. D korotandava ny fiainandry zareo amzao.

[lina] - Bsr,
Efa nisy discussion lava be tato @forum moov mahakasika ny hoe aiza no tsara alefa ny ankizy: @système gasy (privé na catholique na publique) sa frantsay ary betsaka no naneho ny heviny.
Toa efa voafafa ilay sujet fa t@zany moa mbola tsy nianatra ny zanako d tsy nifantoka be ny tenako.
Ankehitriny miroroa saina dieny izy mbola kely zao hoe alefa aiza ny zanaka?
Afaka mba misy maneho hevitra ve azafady tompoko? Ny anton'ny safidy?Ny lafinyy ratsy sy lafiny tsara?
Misaotra mialoha

[kalie] - araka io voalaza io , efa nanontany sekoly betsaka aho ,fa na tsy misy place , na en attente , de aiza misy sekoly eto tana ville tsara sady matotra , lycée ndrindra ndrindra , mba omeo hevitra .

Pages