Vous êtes ici

niniako notantaraina ato ity tantara ity mba ahafahako miresaka sy maneho ny hevitra satria zao ilay tantara:9 taona nivadiana , 2 ny zaza, vehivavy ity mitantara , efa tsy zaka intsony ity teny mahery ataon vady ato antrano ity, ambaniany @ havako sns kanefa dia zara ra mifandray amin havana avy aty amiko zahay , ny havany kanefa lolohavina antampon ny loha tsy mitaraina na mimenomenona aho , na dia fantako tsara daholo aza ny fahalemin ny tsirairay .zany tokoa ve ny fanambadiana?ny tokantranop rehetra ve tsy maitsy miaina an izany daholo?ny lehilahy rehetra ve efa voasoratra fa tsy maitsy miaraka @vehivavy any , ary ny loza dia efa voan aretina tany (MST) io le raha??inona ny tokony hataoko?? misaraka ve? rehefa resahina anefa dia tsy mety ho diso mihintsy ??ankoatry ny vazavaza igagan manodidina dia mampalahelo ahy ny ankizy mahita ny hanaovany ahy isanandro .rah amba manankevitra ianareo dia mba toroy e.isaorana sahady

Par : courage
Bonjour,
Bonjour, Ny torohevitro aminao voalohany aloha dia miverena mifandray amin'ny havanao, aza manaiky ho baikony na tereny izany indrindra resaka fifandraisana amin'ny havana izany raha mbola tsy nisy ratsy nifanaovana. Mbola tsy misy lien akory taminareo dia efa havanao ireo ary rehefa tsy misy intsony mbola ho havanao foana. Mety maro no hiteny hoe miareta fa ny tokantrano fiafiana kanefa ny hevitro manokana dia tsy mahasoa zaza ny miaina anaty gidragidra sy mahita fa tsy mifanaraka tsara ny ray amandreny. Eritrereto tsara, mety hatahotra na menatra ny vavambahoaka ianao kanefa tsarovy fa ny zanako mbola ambony noho izany. Amin'ny mahavavy anao dia manana zo ianao hisitaka kely, lazao azy fa mila mieritreritra ianao. Courage foana.
Par : FARA
Izaho dia niaina sy mbola
Izaho dia niaina sy mbola miaina sahala aminao io.Tia tena ny ankabeazan ny lehilahy ary mihevitra fa izy ihany no manana ny marina.Ianao tsy manan kolazaina ary tsy mila ny hevitrao ihany koa izy na manana ary ianao.Ny havany dia tsy maintsy hajaina fa ny anao tsy tadidiny mihitsy ny fisiany.Efa ela aho no nieritreritra ny hisaram panam badiana fa efa ho 30 taona izao mbola eto ihany satria malahelo ny zanako.Tamin ny ankizy mbola kely dia hoe aleo ho lehibe ny ankizy dia efa mi comprendre, lehibe ny ankizy izao ary mahafantatra tsara ny zava misy fa malahelo foana ny tena satria rainy io, ary tiany io rainy io.Ny toro hevitra ho lazaiko amintsika vehivavy rehetra dia ny mba hanazava amin ny zanatsika ,na lahy ,na vavy ny mikasika izany fanambadiana izany.Egal à egal fa tsy misy an izany hoe izy no tsy maintsy manana ny teny farany.Fiaraha miaina io, ka tsy maintsy misy ny fifandeferana, ny fahaiza miara monina , ampiana ilay fitiavana.Olona 2 no indray manimba ny fiainany fara fahakeliny raha mbola tsy niteraka , raha tsy voaaro izany lalanam piainana izany.Izaho izao dia manontany tena hoe "jusque hatraiza aho no hiferin 'aina sahala amin izao? Diso fanantenana tanteraka" .Ny vavam bahoaka misy foana.Andramo farany ny mifanazava aminy(na dia fantatro aza fa raha vao mampandroso resaka ianao dia miakatra ny fahatezerany) dia lazao azy ny alahelonao.Fantany amin izay ny antony nahatonga anao hisaraka aminy raha izay no tapakao.Ny anay izao dia miaina sahala amin ireny coloc ireny.Samy manana ny trano fandriany, dia samy manadio ny anjarany.Misy zavatra ifandraisana ihany fa dia efa mihena aloha ny fandirana.Ny fitiavana indray dia angamba efa tsy misy intsony .
fiber_manual_record Anselme
Dernière visite: Il y a 2 months 4 days
A rejoint: octobre 26, 2018
Refais ta vie sans lui si tu
Refais ta vie sans lui si tu veux regouter au bonheur
Par : Equilibre
Vehivavy izaho maneho hevitra
Vehivavy izaho maneho hevitra, nahita lesoka betsaka aho teo @ ray aman-dreniko sy ireo couple akaiky ahy t@ fahazazana sy fahatanorana, ary dia novolavolaiko nanaraka izay ny toetra ho hananako rehefa mitondra tokantrano, teo @ ray aman-dreniko ohatra dia tany am-boalohany dia nipetraka tsara ny équilibre, mbola nianatra ny reniko fa ny raiko no namelona, vita fianarana ny reniko dia nahita asa tsara, dia teo no nanomboka ny olana satria ny raiko niasa tena, ny reniko mpiasam-panjakana, affectée tany @ faritany dia nanaraka ny raiko, mbola nety ihany tany satria mbola natanjaka ny raiko dia nahavita fitànana angady sy niasa mafy, tena hoe tsy nisy naha ory, affectée tany @ toeran-kafa indray, tany @ tanindrazan'ny raiko, nanana tranon-drazana sy tany, fa nanomboka nahazo taona kosa ny raiko dia nanomboka teo ny olana satria tsy nahay ny s'adapte sy nivoatra nanao activités hafa mba sahaza ny taona, moa lasa mandrimandry manan'aretina satria efa misy trano hialofana sy sakafo isan'andro dia natoritory, ny ankizy anefa efa lehibe andeha hianatra eny @ université dia hila vola be @ zay, ny olana dia lasa ny reniko no nintàna ny lohan'ny fianakaviana ny farany satria niezaka ny combler ilay manque financière, nitady asa tsara, ary nahita tena tsara karama, dia ohatran'ny lasa very place izany ny raiko dia niandry mahazo teo fotsiny, dia very ilay équilibre, ny raiko sady lasa kamo fa misy mpamelona no ohatran'ny lasa nanana complexe mahatsiaro ambany izany, ny reniko lasa manome tsiny lava ny raiko anefa hitako hoe tsy hainy ny nanampy ny raiko hy s'adapte hanao activité hafa hainy sy mifanaraka @ taonany satria ny fonds nisy teo am-pelatanana, ary ity no tena nanome lagy ahy t@ izany, izahay zanaka tsy mba tena ny profita ilay bonne assise fianancière akory fa dia niafy velona tena foana, fa rehefa ny havana na ny an'ny lahy io na ny an'ny vavy no tonga mitaraina dia mifafifay ny vola sy ny fanampiana, ny asan'ny reniko koa lasa tany @ faritany avy eo dia nisara-toerana izahay, dia lasa ny raiko naka sakaiza miafina, lasa tsy afak'andro dia miloka, tena hoe enfer kely ny fiainana, ary teo no nahatsapako hoe marina ilay fitenenana hoe " l'argent ne fait pas le bonheur mais il y contribue seulement" na misy aza ny vola ka tsy hay no mampiasa azy dia korontana ny hita, nilamina ihany moa ry zareo taty aorina rehefa lehibe ny ankizy fa izaho nahita fa nisy taona maro be afaka nifankatiavana gaspillé noho io resaka équilibre very io, ny cas faharoa hitako indray dia iray tampo @ reniko, madame tsy miasa any ivelan'ny trano fa mikarakara tokantrano, ramose be galona, fa didy jadona ao an-trano, ary hatramin'ny hanina ohanina aza dia handatsana, ny vehivavy any ivelany moa tsy lazaina intsony, hatramin'izahay zanaky ny iray tampo manao vacance ao amin-dry zareo aza dia ahitàna olana, fa miharitra ramatoa satria tsy mampidi-bolana, ny zaza efa telo, tena tsy mifandaja ny pouvoir ao @ ilay tokatrano sanatria naka mpiasa hikarakara trano dia kibo hiterahana sy fo*ry ho he*le*le*na ilay rangahy (mialatsiny fa tena io no mahalaza azy) ny loza dia maty tampoka ilay rangahy fa sahirana ramatoa vao nahita mangirana t@ fianana, soa fa nisy fianakaviana nanampy (ny reniko mazava ho azy) nanokatra tsena. Noho ny tonga taona hanambady aho dia ireo no nazavaiko t@ vadiko voalohany, mila équilibre ao an-tokantrano, ny lahy no lohan'ny vavy na manao ahoana fidiram-bola na manao ahoana, tompon'andraikitra voalohany ny lehilahy ary tsy tokony hiala an-daharana fa satria mahavita mihoatra ny anjara tokony ho ataony i ramatoa, tsy tokony hisongona ramatoa na dia afaka mandeha mafy no ny vadiny aza fa ny mifanohitra @ izay, tokony hanosika ny vadiny avy ato aoriana hanome courage, hanolon-tsaina fa tsy sanatria handatsa, hiara-hiady fianana, i rangahy kosa tokony hanaja ny vadiny na dia lohany aza, tsy manao didy jadona fa tena hierana ny fatantanana ny toka-trano, mihaino ny vady rehefa mba miteny ary miady hevitra, marihako tsara io ny hevitra no miady fa tsy ny olona, miazaka ny hahaleo tena ara-bola foana, satria ny aina tsy mifametra, samy niasa ho an'olona izahay 2 t@ vao niaraka fa tena nizaka be nanao activité mahavita ny fiainanay, mampiasa vola fa tsy ampiasain'ny vola, io no device ko, ary mba tanteraka taty aoriana, izaho izany na dia tompon'ny hevitra sy fikarohana ny activités rehetra ataonay dia jamais aho my s'afficher alohan'ny vadiko izany ao am-piasanay, apetrako @ maha lohany azy foana izy, izy koa conscient tsara hoe équipe izahay na dia izy aza ny lohany ary my consulter ahy foana rehefa tokony ho ataony izany, na ny resaka fanampiana havana sy ny tariny aza dia toy izany koa, fa izaho moa allérgique tanteraka @ resaka manampy havana t@ zavatra hitako taloha dia aretina sy fahoriana ihany aho no manampy dia izay, ny sisa samy olon-dehibe hary saina hary vatana dia samia mamelona ny tenany, tout est question d'équilibre. Fa io koa dia olona 2 no manaiky hanangana équipe 1, tsy maintsy samy manaiky ny fitsipiky ny lalao izay vao mety, izay no nahatonga ahy vao nanomboka ny fiarahana dia nizara io hevitro io t@ vadiko, nitsikian'ny vitana moa izaho dia sendra lehilahy nanaiky sy nitovy fijery tamiko. Efa ho 25 taona nivadiana izao izahay, efa ho avy atsy ho atsy ny zafikely

Ajouter un commentaire

14 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.