Vous êtes ici

Miarahaba anareo.

Niteraka tsy nanambady aho ary efa feno 6ans ny zanako.Nisafidy ny niteraka aho satria efa somary lehibe ihany kanefa accident no nahabevoka ahy.Na dia ratsy aza za dia mba nahalala nahatsiaro ihany fa tsy mety eo anatrehan'Atra ny manala zaza.Mafy ny adiko vao tonga t@ io taonany io ny zanako satria niady irery foana ao na dia nanampy kely fotsiny ara-bola aza ny rainy;

Ankehitriny aho mahatsiaro fa tena te hanambady fa mihalehibe le zaza de sarotra le mitaiza irery;nandritry ny fotoana nitaizako ny zanako dia nisafidy ny tsy niaraka t@ olona fa nifantoka tamin'ny fitaizana zaza.

Manahy aho hoe mbola possible ve hisy olona hanaiky hanambady ahy ;za efa quarantaine.

Misaotra mialoha amin'ny hevitrareo.

Par : Hipe
Rehefa izay no sitraky ny Ray
Rehefa izay no sitraky ny Ray ho anao dia manambady ianao! ho ento am-bavaka ary aza fatra-pifidy, fa indrindra tandremo sao efa vadin'olona no iarahana
Par : Kostas
Aza manary toky ianao fa samy
Aza manary toky ianao fa samy manana ny anjarany ny olona tsirairay! mahaiza mitia rehefa sendra ny fitiavana ianao
Par : courage
Izaho koa mère célibataire
Izaho koa mère célibataire toa anao, roa ny zanako ary tsapako ilay olana resahanao. Tsy moramora ny mitaiza irery, betsaka ny zavatra mila géréna nefa tsy misy olona hianteherana. Izaho kosa dia tsy mbola manana fikasana ny hanambady na dia sarotra aza ny fitaizana. Ny torohevitra omeko anao dia aza manadino fa miankina aminao ny zanakao ary raha tojo izay tadiavinao ianao dia lazao ilay olona tianao fa raha tia anao izy dia mila manaiky ny fisian'ny zanakao eo amin'ny fiainanao sy eo amin'ny fiainany. Ianareo roa no lehibe, ny zanakao hoy ianao vao 6 taona, ianao mety ho tia io olona io fa mila fotoana ny zanakao mi-s'adapter amin'ny situation vaovao. Tsinjovy foana ny zanaka satria raha safidy ho an'ny reny (sy ny ray) ny hiteraka sy hanambady sns, ny zanaka kosa tsy mba afaka nisafidy izay mety ho ray sy reniny fa miaina amin'izay zava-misy eo. Aza kivikivy na sanatria aza tsy tojo olona ho vadiana ianao. Manaova zavatra ahafahanao mahita épanouissement, maka fotoana na dia 10 minitra isankerinandro aza hijanonanao irery, hakanao ainga vao indray entinao miatrika ny ady hatrehanao. Tsarovy fa tsy irery ianao, aza kivikivy.
Par : mety ho banga
Mety mahatsapa fahabangana be
Mety mahatsapa fahabangana be ianao indraindray kanefa tsarovy fa raha manambady aza ianao tsy garantie izany fa hahatsapa fahafenoana ianao, mety miandrandra mafy zavatra hafa indray ianao.
Par : TEO FOANA
Faly miarahaba anareo rehetra
Faly miarahaba anareo rehetra indray dia faly koa mandray ny valin-tenin'ny tsirairay.Misaotra betsaka anareo satria tena manampy be mitsy le izy. >>Courage :mba afaka mametraka mail ve dia mba mifampiresaka isika ra mety mba mifampizara?Misaotra mialoha anao Zany rehetra zany mihitsy no efa manitikitika ny saiko hoe raha sanatria tokoa moa za manambady kanefa vao maika loza no mivoaka eo dia aona indray,zao mantsy zay mianaka tena milamina tsara fa indraidray za tena sempotra refa sanatria miasa ny zaza na le misy manhirana ireny ,tena tsapako mitsy we tsy mora le mandeha irery ,saingy ny tsy mahakivy ahy ,za mahatoky an4atra foana satria tsy mamela ahy irery Izy. @ lafiny iray za te hanambady satria tena tsapako fa banga za resaka sentiment ,satria dia tena rotoroto-piainana no hiainako ,tsy misy mba wanah tenako na dia kely aza,@ lafiny iray indray za mandinika we ra zao no hanambady dia hanao aona ny relation anle zanako sy le ho vadiko,indrindra ra sanatria ka olona tsy compréhensif le olona ho avy eo.Sarotra ny mandinika azy fa za tsy anefa tsy tena hoe mitady vady be fa mba nandalo tamin'ny saiko fa raha hoe sanatria tsy misy dia manaiky ny fitondran'ny ao Ambony hoe mahasoa ahy zany ny tsy manambady. Tena misaotra be dia be anareo mamaly,ary mbola tongasoa ny toro-hevitra rehetra.
Par : mm
[TEO FOANA] > Bjr ! Nisy
[TEO FOANA] > Bjr ! Nisy safidy ianao hatry ny voalohany hoe tsy hiaraka amin'ny olona hafa na dia célibataire aza. Sao nanantena hifamerina @ilay rain-jaza kosa ianao? Raha resaka fahasahiranana, 6 taona niady irery izany efa goavana. Izany hoe ange izany matanjaka tsara mihitsy na saina, na fo, na "sentiment".
Par : courage
Andraso fa hanokatra adiresy
Andraso fa hanokatra adiresy email ahafahantsika mifanerasera aho dia ho zaraiko anao eo ihany.
Par : TEO FOANA
Miarahaba anareo dia mbola
Miarahaba anareo dia mbola faly mandray ny valiteny avy aminareo Courage>>misaotra betsaka Tena efa betsaka tokoa ary tena niady mafy nandritry ny 6taona fa zao efa mba afaka2 le tsy sahirana be @ le zaza dia zay no nahatonga ahy nieritreritra hoe ahoana moa zany ny fiainanay mianaka ty?
Par : courage
Ity ilay email, azafady fa
Ity ilay email, azafady fa somary elaela : neny.mifanampyatgmailpointcom

Ajouter un commentaire

6 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.