Vous êtes ici

Averina eto ity sujet an'i HOPE ity.

salama daolo

nanokatra ity discussion ity aho ho antsika vehivavy mitady zaza tsy mety mahazo. <

Hiresahantsika ny zavatra tsapantsika , ny alaelo, ny tebiteby miandry regle ho tonga na tsia , rehefa tsy mahita havaly rehefa manontany ny manodidina hoe oviana ihany, rehefa sady faly malaelo maheno namana na havana terabao ....

Ny ahy manokana aloha dia tena mafy amiko ilay izy, tena tsy nampoiziko t@ fiainako mihintsy hoe ho sahirana aho hitady zaza satria ny fianakaviana rehetra dia tena maro anaka be daolo, izahay koa 6 mianadahy be izao.

efa 6 ans de mariage izahay mivady, nandehanana daolo izay atoron'olona,

mahatsiaro tena impuissant mihintsy manoloana anilay olana 

rehefa misy manoro hevirta hoe "aza eritreretina be e", atao ahoana? <

tsy mora izany rehefa nitady zaza nandritra ny 6 taona, 

tsy misy afaka mahatsapa anizany raha tsy ianao irery, 

sarotra ny miresaka azy raha olona efa avy niteraka 

otrany tsapanao izany hoe , hamaivanin'ny olona ny olanao 

nisy namako iray izay nandefa message tamiko dia hoy izy: "efa tena menatr'olona aki aho @ ity bevoka lava ity fa dia maro loatra", raha mba fantany mantsy manindrona ahy izany teniny izany, toa maneso ery,

je donnerai tout ce que j'ai ; mon travail, mes diplômes pour sentir une grossesse et tenir un bébé dans mes bras

c'est trop injuste :(

Par : Fanantenana
Tsapako be mihitsy izany
Tsapako be mihitsy izany mahazo anao rehetra izany, ny ahy izao 2 et démi efa tena henoko mavesatra be.

Miatra amiko daholo ireo lazainao rehetra ireo...

Fa izao t@ Herinandro Masina teo aho naka fanapahan-kevitra be mihitsy ary tena fantatro fa mafy ny ezaka angatahina amiko fa hoy foana aho hoe tsy maintsy zay.

Izaho moa KATOLIKA fa ny vadiko FJKM. Efa nifanarahany oe mixte ny fivavahana izany hoe makany aminy izahay dia makaty amiko koa.... Izy aza indraindray manaraka ahy foana fa tsy dia makany aminy izahay.

Dia nanao lalan'ny Hazo Fijaliana t@ ZOMA Masina, dia nitohy t@ fivavahana dia nitory teny kely Mopera dia hoy izy : "aza variana mitsetsetra an'i Jesoa hoe maratra maty sns...Fa jereo ny tenanao hoe aiza ho aiza ianao sy ny finoanao sy ny toetranao sns.... " nampiny hoe : " Ny fijaliana eo @ Hazo fijaliana hoy izy tsy fanamelohana fa fitiavana" ...

Dia efa nis mopera nitantarako ny manjo ahy ihany dia efa niteny ahy izany izy hoe raiso ho fitiavan'Andriamanitra izao manjo anao izao fa tsy dia noraraiko... f t@ iny Zoma Masina iny d tena noraisiko ilay teny... Dia hoy aho hoe : manomboka izao a dia miandry am-pitoniana, manao izay azo atao OTRA, FANAFODY...Fa ra mbola tsy misy dia mbola tsy tonga izany ny fotoana hanomezan'Andriamanitra azy.. Misy antony daholo ny zavatra rehetra...

Dia zao a tena miezaka... Miomehy fotsiny aho na dia marary kely aza refa maheno zavatra : vao t@ lundi a naheno, vadin'olona no iarahan'ilay vehivavy dia niterahany soamantsara nahazo kambana mirahavavy izy.. Dia hoy aho oe nahazo izy fa fijaliana zao ny azi @ reo zanany tsy misy Ray satria ilay RAY efa manan-tokantrano tena izy.... Toy izany koa misy namako akaiky nanala zaza dia avy eo nitady dia bevoka izy izao.. dia hoy aho oe any aoriana any rehefa hiseho eo @ Andriamanitra izy , izy no ho sahirana @ valim-panontaniana oe fa naninona no nanala zaza fa tsy izaho...

Rehefa misy manontany aho hoe fa rahoviana ihany dia iomehezako fotsiny..Dia tena ts misikotra aloha ny olona fa asa.... Fa mila ezaka be ny mi -accepter an'ilay izy...


Fa raha vitanao dia ezaho ekena ny zava-misy dia ny fiainana ankino @ Andriamanitra foana fa Izy no mahalala ny mahasoa antsika.. @ fotoana tsy ampozintsika mety lazainy ihany ny anton'izao...


Lava be fa mialatsiny dia misaotra

Ny adinoko kely : misy namako 8 ans no nitady tsy nety dia nanangana izy... Dia hoy izahay roa hoe izay zany no tin'Andriamanitra ataondri oe misy zanak'olona any tokony indri no mitaiza azy.. dia nekeny soamantsara.. Faly be izy sy ny famille-ny @ izao.. tsy nisy nanome tsiny az sns zany mits...

Ka jerena daholo ny signe rehetra fa misy zvt angatahana @ tsika ao...


Mirary soa kia a... Dia courage annnn... tolona iarahana ny antsika ity dia mifampitondra am-bavaka...
Par : manirymafy
salama daholo,<br /><br /
salama daholo,

tena niainako mitsy reo voalazanareo reo, refa mahita vhv mitondra vohoka dia manara maso be sady vao mainka mitombo ny faniriana te hanana. isaky ny mahita publication na sujet forum mahakasika ny fitadiavana zaza, na fahazoana zaza sns dia tena liana dia liana mihitsy.

mora lazaina ilay izy fa sarotra tanterahina.

nisy namana zay nanoro ana ny Salamo 113,9 dia mba asaiko vakianareo ary averimbereno io rehefa mivavaka, sorato eo andoha fandriana mihitsy na am bloc note na eo am frigo sns na am telephone.

Za zao efa 9 taona nitadiavana, tena lava raha tantaraina fa zany hoe ny azoko amintinana azy dia hoe tsy dia nitady fomba maro a fa nandeha gygy aloha d nisy kyste d nolevonina dia hitan'ny echo koa fa nivadika ny utérus ka mampisy fausse couche, tsy niotra a tsy naninona ary atramizao tsy haiko na mbola mivadika iz ao na aona. ny tena marina dia mataotra a mahare ny "marina" dia tsy tia mandeha Dr fa aleoko misento mangina dia mivavaka.

nandeha mpanotra a vao tam alahady Paka dia ilay mpanotra nilaza fa tsentsina ny trompte-ko gauche, dia nalahelo tokoa moa zany dia niotra satria ozy hoe azo tsaboina tsara....

ny Alahady io ihany anefa no tokony niverina ny règles-ko ary hatram zao anoratako zao dia tsy mbola niverina...

Nanao test a tam maraina ary dia positif satria 2 barres saingy somary mbola matroka ilay 2è. haka rdv gygy a mba ahazoako ordonnance prise de sang hiconfirména azy tsara. Na ny date nanaovana azy aza tsy mba tsaroanay akory satria zahay moa misara toerana lava...

Tsy mora fa tsy atao mahakivy, aza mihemotra mihitsy fa ho avy eo foana, irio mafy fa omeny anao.
Par : Mitady koa
maniry mafy) arabaina zany
maniry mafy) arabaina zany ndry! Za koa maniry ny hiteraka mafy. Izaho efa manana lahy kely 8 ans, saingy ny olako tena maniry mafy ny hiteraka fanindroana aho efa presque 6 ans zay, ny olako ilay lehilahiko tsy mety, za nefa koa sady marary fa misy fibrome 2 za dia tena oe mitady fa saingy izy ty tsy azo tadiavina irery ka dia misento mangina rery rehefa mahita vehivavy bevohoka tena maniry mafy fa indrisy manko.
Par : manirymafy
nandeha Dr généraliste a naka
nandeha Dr généraliste a naka ordonnance prise de sang d nanao analyse tao am institut pasteur ankorondrano, 278mUI/mL no dosage tam résultat, tsy manao interpretation zareo fa nojereko sur le net dia équivalent ana 16 jours de grossesses na 5SA ilay izy fa hamafisiko amina gynéco am fin de semaine zao.

tena lazaiko anareo fa mitaintaina foana iany kay na d efa hoe positif aza, otrany tsy mety mino hoe quelle miracle après tant d'années...dia lasa mitady confirmation foana.

ny conseil azoko atoro anareo dia hoe irio mafy fa homeny anao io amin'ny fotoana tsy ampoizinao dia mila vonona foana foana.

za zao nijery site grossesse foana hatramizay, zao nefa tsy tadidiko daolo hoe aona no tokony atao
Par : kalapiso103
Félicitation "maniry mafy",
Félicitation "maniry mafy", tiko be rehefa tsara fiafara toy izany ny fiaretana ela be. Mirary soa anareo mianaka
Par : Fanou !
Bjr daolo, <br />Izaho efa
Bjr daolo,
Izaho efa 10ans nitadiavana ary efa ela be nandalo forum teto foana fa depuis 2015 aho tsy dia nandalo intsony dia varina kely eto mamaky anareo.

Hope : azoko be akia ilay lazain ndry oe je donnerais tout mon statut social, mes diplomes sns pour mettre au monde un enfant. izaho moa zany dia efa natao daolo zay rehetra atao na medical na spirituel, nande natory tambony tsihy avy nanao famadihana sy dadarabe sisa tsy nataoko ha ha ha
Ny seule chose positive itako t@ zavatra nandalovako dia izaho lasa naazo amie pour la vie, olona izay nifanerasera teto @ forum ary mitovy parcours amiko.
'zay ny conseil tiako zaraina oe entourez vous les unes des autres, tsy misy afa tsy ny olona miaina ny andalovanao no mi comprendre oe manisa andro isam bolana, mi programmer rs sy rdv any @ doc, manana discussion bizzare oe tokony ampekarina @ rindrina ve ny tongotra ha ha ha (que des fous rires et de larmes no nifampizarana)
Par : manirymafy
kalapiso103>> Merci beaucoup,
kalapiso103>> Merci beaucoup, mbola stade mila confirmation mafy za io amzao fa efa ravoravo na zany aza, manana fanantenana :-)


Fanou!>> tena efa ela koa a nanaraka anao teto am forum satria nitady zaza toa anao ihany koa fa zany hoe ny pseudo no novaina fa nolavin'ny modo :-)

raha tsy diso aho dia tsy mbola nanao massage réflexotherapie ianao (massage via faladia)? tsy mbola nandeha renin-jaza koa? maninona raha mankany ihany aloha? raha tsy diso koa aho dia toa nikasa ny anajanona mitsy aloha ianao?

za tsy nanao anreo fa tena vao nikasa mitsy kanjo nipetraka moa le izy dia najanona njay. mikasa andeha reninjaza ihany koa raha confirmé soamantsara ka hoe ilaina zany.

tsy haiko koa ianao raha efa nanao bain de siège amina argile verte na huile essentiel lavande fa toa betsaka koa no nahita vokatsoa tam io

en tout cas, misaotra anao am fizarana dia mirary soa foana foana :-*
Par : amie
bnsr Daolo<br />Tsy misy
bnsr Daolo
Tsy misy anampina na analana aki ry Hope, zavatra tsapandry fa tena mitovy mihitsy a.
Mivavaka mafy Ihany no tena mety dia Andriamanitra manoro hoe zao atao sy olona aleha dia fantany ze mahasoa.
Felicitation > maniry mafy ! dia Mirary soa , manome fanantenanan ny temoignage ndry d MBA maniry ny hitafa Aminao za ra mety, Telfone, whatsap, skype, viber .
Par : manirymafy
amie>> merci, d aona no atao?
amie>> merci, d aona no atao? fb za connectée isanandro (presque) fa za tsy manao whatsap s skype s viber, am gmail koa afaka itchaténa

ze mety aminao d apetrao n pseudo d miresaka tsika

mirary soa
Par : Yuli
Coucou daoly!!<br />Tsapako
Coucou daoly!!
Tsapako be mihintsy zavatra iainany Hope,
Zay mivady efa 5taona mahery nitady zaza,efa nanao traitement,efa nande nihotra,fa tena mbola tsisy vokany!!ny anah de arahako vavaka foana,ankiniko @ Tompo !!
Courage daoly tsika rehetra mitady zaza tsy mbola mety mahazo ato,tsy maintsy mbola hiposaka masoandro piainatsika ndray andro any e!!!

Pages

Ajouter un commentaire

1 + 9 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.