Vous êtes ici

Nizara roa ny mpino tao amin'ny fiangonana zandriny iray tao AntohomadinikaTranga tsy dia fahita firy no niseho omaly tao amin'ny fiangonana zandriny iray tao Antohomadinika. Nisy mantsy ireo mpino vory teo ivelan'ny fiangonana hanongana ny pasitera am-perinasa ary efa nitondra pasitera hafa hisolo azy. Tsy nanaiky izany anefa ity farany ka raikitra teo ny disadisa teo amin'ireo mpomba ny andaniny sy ny ankilany, nisy hatramin'ny fikasihan-tanana ka tonga nandamina izany ny avy eo anivon' ny mpitandro ny filaminana. Raha ny antony disadisa kosa dia voalaza fa resaka fanodikodinam-bola no antony tsy haneken'ireo mpino sasan-tsasany ilay mpitandrina am-perinasa ka nahatonga azy ireo hanongana izany. Mbola mitohy ny raharaha ary mety hiafara hatramin'ny fifampitoriana.Vaovao nindramina

Par : Ô ry havana ô!
Ô ry havana ô
Ô ry havana ô
fiber_manual_record hoby.l@live.fr
Dernière visite: Il y a 1 month 4 weeks
A rejoint: juin 27, 2018
Mifampiresaha de mihavana
Mifampiresaha de mihavana haingana, fa fiangonana hotran'izany ve no hitsena an'i Jesosy eny amin'ny Rahon'ny lanitra. Efa ho avy izy, ka samia manasa ny lambany avy.
Par : Anonyme
fiangonana miseho ho zokiny
fiangonana miseho ho zokiny koa aza manao izany izao
Par : Brandon
Ô ry zareo a !
Ô ry zareo a ! Efa nanambara foana aho fa marina anie ny tenin'ilay iraika lahy iny e ! Ilay manao hoe : " La religion est l'opium du peuple ". Mbola tsy mino ihany ianareo.
Par : Izaho
Efa hitako ilay cas
Efa hitako ilay cas Mitory any amin'ny comity foibe raha misy acte nataon'ny pasteur tsy nety dia izy ireo no manapakevitra amin'ny fanalana ilay pasteur na tsia. Dia izy ireo ihany koa no mitondra ny solon'ilay pasteur.

Ajouter un commentaire

1 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.