Vous êtes ici

Salama daholo , Lehila aho no miresaka ary musulman ny finoanako . Ity misy olana izay zaraiko aminareo ka mba hiangaviako vaha-olana:Efa 19 taona izay no nivadianay ary manana zanaka efatra izahay. Tamin'ny vao nifankatia izahay dia efa nilasza taminy mahakasika ny finoana arahiko aho. Nanaiky ahy izy, taty aoriana anefa dia tsy nety nanaraka ny finoako izy na dia niezaka nampianatra azy tamin'ny fomba rehetra aho :"Coran traduit en Malagasy, fomba fivavahana en Malagasy ets.....) Izaho dia tsy manana zo amin'ny maha raim-pianakaviana ahy fa dia natao ho mpamelona fotsiny. nomeko fahalalahana amin'ny fitantanana rehetra ao an-trano izy. Ny tena mampalahelo ahy dia tsy vitan'ny hoe izy no tsy mety mihaino sy manaraka ny finoako fa ny zanako rehetra dia voatariny tsy ihaino ahy mihintsy. Inona no ataoko ? tsy afaka mankaiza intsony ahy satria efa maro ny adidiko (ireo zanako izany) tsy afaka ariako ireo Efa nanoratra tamin'ny fandaharana "MBA HO VANONA " ao amin'ny Radio Don Bosco aho nefa mbola tsy afa-po Misaotra indrindra amin'ny toro-hevitra.

fiber_manual_record Andry
Dernière visite: Il y a 2 months 2 weeks
A rejoint: juillet 4, 2018
Avelao ny zaza anantona ahy
Avelao ny zaza anantona ahy hoy ny Tompo. Efa kristianina zareo de aleo kristianina ingahy ndana mitady Fátima sy bouchra ary Mohamed
Par : Anonyme
Ny fivavahana dia conviction
Ny fivavahana dia conviction personnelle , azafady raha mahitsy aho , amiko tsy midika fa tsy manana ny toerana maha-raimpianakaviana ianao raha tsy manaraka izay teneninao ny vady aman-janakao , amiko tsy midika hoe tsy mandova fiainana mandrakizay na paradisa ny vadinao raha tsy mitovy finoana aminao , tsy fahazarana ny fivavahana fa fiainana , tsy haiko izay fifandraisanareo ao an-tokantrano ao fa raha resaka hoe tsy mandeha miaraka aminao mandeha mivavaka fotsiny ny olana , dia avelao izy hanaraka izay heverina fa mety @ fiainam-panahiny, raha mbola manaja ny tokantranonareo izy = tsy mijangajanga, mikarakara anao sy ny ankizy , manampy anao @ fitadiavana .....sns sa iza ho aiza ao anaty coran no misy filazana fa very izay tsy musulman ??
Par : FARA
Ny finoana tsy mety atao an
Ny finoana tsy mety atao an katerena.Ny Andriamanitra inoana dia iray ihany fa ny fomba hanandratana azy no samy hafa.Tokony tsy hametraka olana aminao mihitsy izany raha tena mino ianao.Ny mikasika ny zanakao dia anjaranao no mandray an tanana ny fampianarana azy isan andro eo amin ny fiainany an davan andro ary tsy atao an katerena . Azavao aminy ny fombanao, ny antony hitarihanao azy hivavaka.Atao tsikelikely dia mazava aminy, dia ekeny.Afaka tsy manaiky koa anefa izy , dia anontanio azy ny antony fa tsy tonga dia miteny ianao fa ilay vadinao mihitsy no mitarika azy ireo tsy ho tia ny fombanao.
Par : pillar
Sarotra ny mamaly anao fa dia
Sarotra ny mamaly anao fa dia efa misy valinteny matotra be ireo. Tena hiaraho dinihina amin'ny vadinao aloha dia rehefa mahita vahaolàna miaraka ianareo mivady vao miresaka amin'ny ankizy. Mahaiza miresaka sy mihaino fa ny fahaizanao mamelabelatra ny tena fanahiana sy hetaheta avy ao am-ponao no handresenao lahatra azy ireo. Mialoha izany rehetra izany : valio ao anatinao ao hoe tena misy ary manelingelina be ny fiainampanahinao ve ilay tsy fitoviana?
fiber_manual_record Mamy Raoby
Dernière visite: Il y a 2 days 18 heures
A rejoint: septembre 19, 2018
Izaho indray mifamadika
Izaho indray mifamadika aminao, izaho kristiana ary ny fofom-badiko silamo. Izaho dia tsy mitarika azy hoe tsy maintsy mivadika kristiana izy, ary niteny koa aho hoe hanaraka azy hiova silamo. Fa ny napetrako hatramin'ny voalohany dia hoe ny finoana dia tsy hifanerena, fa izay maharesy lahatra anao atao, tsy isika hoy aho no nifidy ny finoana nisy antsika voalohany fa izay finoana nisy ny ray amandrenintsika, matoa isika nijanona amin'iny finoana an'ny RAD tsika iny dia maharesy lahatra antsika izany ny finoany. Fa matoa isika mifindra finoana dia nahita izay mandresy lahatra kokoa. Misy phrase @ RAP an'i Macklemore izay hoe, na iza na iza Andriamanitra inoantsika, dia ny azo inoana dia Andriamanitra iray ihany no nipoirantsika. Raha momba ny finoan'ny ankizy indray, dia ampahafantaro fotsiny izy hoe misy ilay Mpahary tokana ihany ary tokony ho hajaina, dia ampianaro ny zaza hanao ny tsara fotsiny. Na manana fironana amin'ny finoana iray aza ny zaza kanefa tsy manao ny tsara dia tsy misy dikany...

Ajouter un commentaire

1 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.