Vous êtes ici

Ohatrinona ny vola betsaka ndrindra nomenareo ny sipa na ko hoe vidi netana . misy artiste manja be zay hoe 25 millions no miaraka aminy. efa nisy nando an zany vola zany ve ato amin ny forum

Par : patabe
Tena gravy be io resaka io ry
Tena gravy be io resaka io ry peta a ,ny ahiko manokana izao dia tena tafiditra aho ary mitady fika ialana ,fa mamay be le sipa e .Mpihira malaza be io sipa io ,tamin'izany fotoana izany izy mbola nitsipozipozy kely ,dia nadalo tao aminay mba nangataka spons ,dia nanome ny tena ,nadeha teny ny andro sy ny volana ,lasa niaraka izahay ,raha io chiffre nomenao io dia efa nihoatra be noho io no laniko ,satria im betsaka izy nandeha tany ivelany ,izaho no niantoka ,nividy fiara izy mbola izaho ,nanao trano izy ,ny 75/100 ny lany mbola izaho ,izao izay izy mbola manana projet ngezabe indray ,dia mbola langolagony aho ,fa tena nivaky aho hoe tsy harako intsony e,dia namaly izy hoe hitady deba hafa indray hono izy .
Par : majore
Ny ahy 1.000.000Ariary no
Ny ahy 1.000.000Ariary no azoko indray mandeha izay efa taona lasa izay. Tsy hoe nivarotena akory fa tratran'ny tsy fidiny ka tsy maintsy nanao.

Izaho dia anisan'ny sipa azo lazaina hoe nisy jerena tao am-pianarana, tsy hoe maditra koa fa mba mipetrapetraka. Misy directeur departement niezaka mafy nikaoty ahy fa tsy nekeko mihitsy. Ny sipako koa moa iray fianarana tao iany na tsy iray kilasy aza zahay. Rehefa teo amin'ny fotoan'ny memoire dia io rangahy io no encadreur-ko. Asainy tonga any amin'ny biraony matetika mitondra boky dia rehefa vita ny correction dia asainy miara-misakafo aminy avy eo. Indroa ihany aho no nanaiky fa avy eo namoronako excuses foana. Dia tsy sarotiny koa moa izy.
Rehefa ilay version farany alohan'ny soutenance iny amin'izay dia nasainy tonga tany amin'ny biraony. Dia niandry ela be satria mbola nivory hono izy. Noho ny niditra tao amin'ny birao dia navelany nody ilay sekretera.
Nojerevany ilay boky , dia nantsoiny aho hanakaiky azy fa mbola misy tokony ahitsy hono (zavatra tsy misy dikany akory ilay resahiny amin'io). Dia nanomboka nisafo ahy izy anefa aho tonga dia niala. Notsoriny tamiko fa te hanao RS izy ary tsy avelany hanao soutenance raha tsy manaiky azy.

Tsy nandinika firy ny mety ho tohiny aho fa navelako izy nisafo, rehefa nanantona nanoroka dia tsy nolaviko ary navelako nataony teo izay tiany atao ahy. Sady nalahelo aho no tezitra anefa tsy sahy nanohitra koa. Nesoriny ny patalohako dia napetrany teo ambony birao zah. Io rangahy io irery no ninono ahy hatramin'izay. Dia nataony teo ambony biraony teo zaho moa izy eo ampitsanganana. Rehefa akaiky tonga dia notsoahany ary nararany tamin'ny tany ny azy.
Tsy niteny aho noho ny vita fa niala teo amin'ilay birao moramora. Nalaiko ny pataloha ary nanaovako. Nifafa tamin'ny mouchoir a jeter izy ary nanidy pataloha. Nosokafany ilay coffre tao amin'ny birao ary nomeny paquet iray aho. Tsy nojerevako akory hoe inona fa ny momba ny soutenance no nanontaniako. Nosiniaviny ilay taratasy dia lasa aho nody fa hariva koa moa ny andro.

Vao tonga tany an-trano aho dia nantsoiko ilay meilleur amie-ko. Tonga tao antrano izy na dia efa alina be aza. Sady nitomany aho no nitantara ny zava-nisy. Nanome courage be ahy izy ary nijanona taminay roa vavy ihany io resaka io. Izy no nasaiko nijery ilay valopy no nahafantarako hoe vola ilay nomeny ahy. Tsy nahafaka ny alaheloko ilay izy na dia tsy mbola nisy olona nanome ahy vola be toy izany aza.

Vita ny soutenance-ko tao aoriana an'io. Tsy te hierika an'ilay rangahy intsony aho ary entiko foana ny reniko isaky ny mandeha any amin'ny biraony.

Azoko ihany ny diplaomako, izahay sy ilay sipako efa mpivady izao(na dia tsy fantany aza io tantara io). Fa raha manan-janaka vavy aho any aoriana any dia tsy mba avelako mandende irery hiaona amin'ny lehilahy any amin'ny birao izany.
Par : peta
Nisy bandy akama zay nitatara
Nisy bandy akama zay nitatara fa 500 ar hoe tena foza orana ara bakiteny ngamb ne lery
Par : tonga de mitifitra
Gravy ndray le hoe 500
Gravy ndray le hoe 500
Par : cauchemar
Lhl ny manoratra, ny ana 10
Lhl ny manoratra, ny ana 10 millions ariary, et oui, 50 millions fmg!!!! Neniko mandrakizay io. Lava ny tantara fa zany hoe manala ny fo eto :)
Nanana sipa za, avy eo nisaraka fa nanambady izy. Nisaraka izy sy ny vadiny dia nitady ana izy, dia niaraka indray.Hadalako ny niverina niaraka taminy.
Nanomboka teo dia hain'i ra-sipa tsara ny nitery ana. Efa niteraka iray izy, vo hianatra ny zanany dia niantohana ny fianarany, izy moa dia tia mandeha toerana luxe, ny tao antrano milaza mila robot nividianana, mila rice cooker nomena, nilaza hiverina hianatra koa izy, niantohana, sady fianarana roa no hoe indray ataony amin'io ny iray gestion dia ny iray esthétique, miaraka aminy vidina produits sns. Mandeha vacances miaraka amin'ny zanany vavikely io, complet ny fiantohana, akanjo sns. Nefa hay kala mbola miaraka aminy olona hafa, ny vadiny na nisaraka ary izy mbola manao aminy izy rehefa miantso ilay bandy, ny sipany koa misy iray fantatro.
Con.nerie be izany nataoko izany fa dia tsy afaka ny hiverina amin'ny lasa moa fa dia hanenenana mandrakizay ilay izy.
Par : GrandProphete
Tsy aleonareo ve ry namako
Tsy aleonareo ve ry namako omena ny fiangonana ny vola hanaovana asa soa toy izany laniana amin'ny fijangajangana -+- -+- -+-
Par : patabe
Cauchemar<br />Tsy misy
Cauchemar
Tsy misy hanenenana leitsy izany a ,marina fa vola be no niodina tao ,izahako manokana dia tena saika potika a ,fa afaka ihany aho no farany ,ny zavtra tsy hay adinoina aloha dia tena nitavana mihintsy aho tamin'izany ,tsy misy hoe aoka aloha sy nysisa ,fa raha vao malalaka kely dia efa any izany .Saika efa nisy nahasarona ny fika ,fa soa fa mbola be koa ny akama nanome morse a .
Par : Homme noir
Lhl efa 50 ans no manoratra.
Lhl efa 50 ans no manoratra. Miasa @ la douane aho ka nisy fotoana moa nahazo toerana be affaire be aho ka nohony bizina betsaka dia nanao trano, ny vam moa misy anankiroa aho. Ny revy moa zany isaka arivariva avy miasa miaraka @ mpiara miasa satria lasa akama daholo ny mpiara miasa. Madama moa, azony daholo ny ankabeazany zavatra tiany ary hitany ny karama tsy tapaka miaraka @ bizina hentiko mody dia tsy rarahiny na nisotro aho fa mila matory antrano foana rehefa avy miaraka @ akama. Ka teo aho nahita sipa kely métis sinoa zay, namboariko dia nanaiky ka lasa sipako izy. Ka nanomboka teo aho niantoka hofan_trano, bazar sy ny haingohaingo rehetra nandritra 2 taona ary mbola nangataka nanaovana trano. Tsy haiko na tratrany fanafody aho fa tafanao trano vato kely taminy aho. Zao moa muté @ service hafa aho nohony décision DG vaovao ka tsy dia sôsy loatra fa nifirany ilay sipa aho. Nalahelo be aho mandinika ny vola be efa ho 300 millions fmg. Soa ihany fa tsy kobony vadiko ilay tantara ratsy. Malahelo aho mijery zanako satria tokony taty an-tokantrano no nandaniko ilay vola io. Ka fananarana ry zalahy fa tandremo ireny sipa métis tsara tarehy( na métis vazaha io, na arabo na sinoa na inona....) fa mahay manataka ireny a! Misy bande promo nay zay koa tao sambava lery no niasa fa voavolovolo lery zay nialany ilay sipa.
Par : Sipakely taloha
Izaho dia tena nilalao
Izaho dia tena nilalao lehilahy be vola na papa saosy, 3 karazany no niaraka tamiko, tsy fireharehana akory ilay izy fa mba mizara, 16 taona zah no nanao firaisana voalohany, vao afaka bacc aho t@ izany, 32 taona ilay rangahy niaraka tamiko sy nanapasaka ahy raha izay no mahalaza azy, efa manambady aman-janaka izy, niaraka 3 taona izahay, niantoka ny fianarako nandritra ny 3 taona io olona io, tany @ faritany aho no nanohy fianarana dia tany no nifankahitanay, nahazo cité fa kosa niantoka izay tsy voahatoky ny reniko izy, satria ny reniko niteraka tsy nanambady, samy nahalala ny tanjona eritreretiny sy ny zavatra hilainy izahay, izy nanara-po t@ filàna ara-nofo tamiko, izaho naka tany aminy izay naha ory ahy na filàna na fitiavana na vola na hevitra, izaho rahateo tsy nanana ray niteraka sy nitaiza dia somary nisy fahabangana nofenoiny tao, tsy hitsara azy @ hoe manitsakitsa-bady aho fa nandritra ny fiarahanay dia tsara fanahy, izy moa izany milaza fa tsy mahatsapa fitiavana omen'ny vadiny azy intsony fa afaka miteny izay tiany koa izy mitady excuse @ zavatra ataony, tsy niaraka t@ olon-kafa mihitsy aho nandritra ny 3 taona niarahanay, vita ny fianarako dia niverina teto an-dRenivohitra aho dia najanoko ny fiarahanay na dia nisisika ny mbola hanohy ny fiarahanao aza izy, tapitra teo iny, novaiko hatramin'ny numéro ny finday ko, niditra niantr'asa aho, zara raha karama anefa tsy te hiverina hipetraka @ reniko intsony satria nipetraka t@ tranon-drazana izahay dia nisy fifamaliana matetika t@ fianakaviana, nisy lehilahy efa lehibe nanadala ahy indray, efa manam-bady ihany koa, tonga dia nanaovako resaka franche hoe mila olona manohana aho fa mbola te hanohy fianarana no sady te hiasa, dia nifanaraka izahay, niantohany ny fianarako, ny trano nipetrahako sy ny fiainako manontolo, nahitany asa aho, miasa alina in-2 isan-kerinandro sy asabotsy tontolo andro, tena nanampy be ahy io, niaraka 3 taona ihany koa izahay, vita ny fianarako tao anatin'ny 2 taona dia nahita asa stable sy mba tsara @ izay aho, mbola nitohy niaraka heritaona izahay ary nahafinaritra ny fianarana fa ny antony nisarahanay dia nangataka hiteraka tamiko izy ary tena ny insiste be dia nisarahako fa tsy nety tamiko ny hiteraka aminy, nifindra trano mangingina aho dia nofaranako izaho samy irery ilay fiarahana, 23 taona latsaka kely aho no nisaraka izahay, tena mbola tsy tapa-kevitra ny hanambady, ary mbola tsy niaraka t@ tovolahy hatrizay nanaovako fitiavana, sady tena tsy intéressé @ ilay mandany andro @ bandy kely, célibataire teny aho 6 mois aloha, nifindra asa hafa tsy nisy fifandraisana t@ fianarana nataoko aho fa mbola hitan'ilay olona niaraka tamiko teo aloha ilay toeram-piasana dia lasa olana be ho any, tany @ toeram-piasako vaovao indray no nahafantarako ny olona fahatelo niaraka tamiko, 55 taona io olona ary gros client tao am-piasana, efa manambady mazava ho azy, nisalasala elabe aho vao roboka niaraka taminy, efa 3 volana nanaovana séduction vao nanaiky aho, nandeha teo daholo na voninkazo, na commission de vente mihoatra be na firavaka na inona, ilay hifanjevo @ resaka fisarahana satria fitiavana tsy haharitra no tena nahakamo ahy, fa @ maha asa vaovao ilay asako dia tena mal payé aho, zara raha nisy nandoavako hofan-trano sy charges ko ny karamako, tsy nahatody faran'ny volana akory, nisy aretina nahazo ny reniko avy eo dia tena tsy arako no sady tsy nisy fianakaviana tena nanampy, farany dia nanaiky niaraka taminy aho, ankoatry ny hoe nanala fahasahiranana temporaire ahy dia tsy nahitako fahasambarana toy ireo 2 voalohany ilay fahatelo satria tena hoe bout de viande aho, mifangaro latsa ilay fanampiana na dia nazava tsara aza ny fifanarahana, t@ ireo 2 voalohany nisy fitiavana tao na dia hoe resaka ******* sy vola aza no tena base ny, mahazo tambitamby sy teny mamy fa ilay fahatelo dia resaka porno no tena nanjaka, ma chienne, ma *******, ma vide couille izany no fiantsony ahy, tsy dia niasako saina fa j'ai joué le jeu satria hitako ny potentiel an'ilay fiarahana taminy, lasa nihitatra be ny réseau ako sy ny porte feuille clientèle ko, niaraka herintaona izay dia nahazo commission de vente à 8 chiffres aho, nahazoako tany malalaka be tany @ périphérie ny ville, ny taona faharoa nahatsangana ferme t@ ilay tany aho tantanan'ny reniko, lasa tena milamina be izahay mianaka satria mahavita ambim-bava tsara izy, 3ème année niarahanay nahapoaka affaire tsara be 2 izahay, nahavidy tany kely tsara toerana eto @ ville, tao anatin'izay niova ny jeu de pouvoir, lasa partenaire d'affaire aho fa tsy chienne sy petite ******* intsony, efa niova ny relation, ny resaka sexe lasa rehefa mifandray ny onde sy ny envi fa tsisy dominant sy dominé intsony, nipetraka ny respect, 4ème année niarahanay maty ny vadiny, io vadiny io zokiny 13 taona, nisaraka izahay avy eo nandritra ny 3 volana teo, dia niverina niaraka indray, 27 aho izao, izy 57 taona, tsy misy tena hiankinako loha aminy intsony raha ara-bola satria efa mahaleo tena aho, fa lasa tiako izy, izy koa toy izany, maniry hiteraka aminy aho fa misalasala izahay @ elanela-taona misy, ny zafikeliny aza efa misy 15 taona. Dia izay sy izay ny tantarako, mialatsiny fa lava loatra
Par : mitia21
salut daoly sipa kely 21 ans
salut daoly sipa kely 21 ans za miresaka @nareo zao! Maro ny sipa ao ampianaranay de miadana @fangalarana vadin olona sy mitady papa saosy. Ataovy ao andohanareo ry lehila fa tsisy sipakely tianareo zan fa vola ihany no itiavany anareo fa ref anambady izy de olona mitovy taona @nazy no tini. Afa ndrai le sasany mitady vaza mitsy fa tia vola lotra

Ajouter un commentaire

3 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.