Vous êtes ici

3 TAONA MAHERY 3 VOLA NY ZANAKO, LAHY KELY, MBOLA TSY MAHAY MITENY TSARA. TSY MAHAY PHRASE MAZA, TSY MAHAY MANAMBARA IZAY SENTIMENT-NY NA IZAY TIANY HATAO (MATETIKA NY MANAO BAIKO MOANA)
MARIHIKO FA MAHENO TSARA NY SOFINY, EFA MIANATRA ARY MANANA ZANDRY 4 MOIS, MILALAO TSARA @ ANKIZY ARY MIFANDRAY TSARA @ OLONA MANODIDINA AZY.
MISY MAMAN MANANA ZANAKA TOY IOZANY VE ? IANGAVIAKO MBA HANAO PARTAGE AMIKO AZAFADY FA SAHIRANA BE NY SAINAY MIVADY AMIN'NY ZAY TOKONY HATAO.
MISAOTRA

Par : Bera Pôlisy
Tsy haiko na mitovy na tsia
Tsy haiko na mitovy na tsia fa IZAHO dia 3 taona mahery vao nahay niteny fa nibadabada hatrany (hoy ny fitantaran'ny ray amandreny sy ny iray tam-po). Ny zanako fara-vavy dia toy izany koa. 3 taona mahery vao nahay niteny tsara. Efa lehibe izy izao fa tsy misy problème. Raha tena be fanahiana ianao, dia manantona mpitsabo mikasika izany. Mirary soa.
fiber_manual_record Minou
Dernière visite: Il y a 6 days 11 heures
A rejoint: octobre 29, 2018
Mety ho afaka manaraka ny
Mety ho afaka manaraka ny fotoana izany ary hiteny toy ny rehetra ihany ny zanakao, saingy diniho ihany koa sao nisy namosavy, manantona mpanompon'Andriamanitra ary mahereza mivavaka sy mirahina am-bavaka ianareo mivady, azo atao ihany koa ny manantona mpitsabo spécialiste
Par : chacun son rythme
Faly miarahaba anao,
Faly miarahaba anao, Manana zanaka mitovy taona aminao aho, ny eritreritro dia samy manana ny rythme-ny ny zaza. Voalohany indrindra aloha rehefa manana fanahiana ianao dia ny tsara atao voalohany manatona mpitsabo dia resaho aminy ny ahiahinao. Isy afaka mijery ny développement-n'ny zanako. Mba hahamora ny fijeren'ny dokotera dia jereo tsara hoe ankoatran'ny fitenenana ve misy zavatra tsy ataon'ny zanakao nefa eritreretinao hoe tokony ho hainy amin'ny taonany. Manaraka izany, aza kivy fa tsy moramora ny mitaiza. Mitombo araka ny rythme-n'izy ary misy ny zaza du jour au lendemain rehefa vonona izy dia mivoatra aingana be ny fahaizany miteny. Aza hoarina amin'ny zaza hafa fa manjary miteraka frustration ho an'ny zaza sy ny ray amandreny. Resaho foana ihany izy, rehefa mitady zavatra dia lazao azy amin'ny phrase ny zavatra tiany ho azo. Ohatra manao baiko izy hoe te hisotro rano, rehefa manome rano azy ianao dia hanontanio sy resahao : hisotro rano ianao ? Andraso ary fa haka rano aho ? décrivéo azy avokoa ny zavatra rehetra ataonao amin'izay miditra ao an-tsainy tsikelikely. Aza terena fotsiny izy fa avelao izy hivelatra araka izay tsapany fa mety aminy. Mazotoa hatrany
Par : milayeeee
isika ray aman-dreny mila
isika ray aman-dreny mila manana fahazarana miresaka, mampiresaka normal tsara ny zaza. Raha aza atao dia aza mibadabada isika RAD miresaka aminy. Iny fibadabadantsika iny no heveriny ho tena izy.

Ajouter un commentaire

18 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.