Moov Madagascar (www.moov.mg)


Maharidaza : Taxi-brousse voatafika, latsaka tany an-kady, nahafaty olona roa
11-01-2017 / 08:55
In-droa nahita ny maizina ireo mpandeha tanatin段ty taxi-brousse iray avy Atsinanana hiakatra ho aty Andrenivohitra ity, omaly vao mangiran-dratsy.
Teo an-tampon段 Maharidaza amin段ny lalam-pirenena faharoa iny, dia lasibatry ny fanakan-d瀝ana ity farany. Tafajanona tampoka noho izany ilay fiara, ary nikorisa nidina, ary niafara tany anaty hantsana. Vokany olona roa no namoy ny ainy, am-polony maro no naratra. Ambonin段zay dia mbola tsy nananan段reo olon-dratsy antra fa mbola voaroba fananana sy vola ihany. Tokony ho tamin地y iray ora sy sasany maraina tany ho any no niseho ity trangam-panafihana tamin地y lalam-pirenena ity. Ankevitry ny efa nandrasan段reo olon-dratsy teo an-tampon段ty fiakara-mideza, miala kely an段 Manjakandriana ity, ilay fiara. Nony tonga tsara teo an-tampony tokoa dia variraraka ny tora-baton段reo olon-dratsy, izay mbola tsy fantatra isa hatreto, nibahana ny arabe.

Ny hany fantatra raha ny fampitam-baovao azo, dia maromaro ihany satria dia voahodidina tokoa ilay fiara, ary nirongo fitaovam-piadiana izy ireo. Tsy nisy azo nialana, hantsana ny an-daniny ary rindrin-tany ny an-kilany, ambonin段zay, fiolahana ny l瀝ana. Mazava ho azy fa voatery nanajanona tampoka ny fiara ny mpamily. Kanjo zava-doza hafa indray no niseho, fa nihemotra ity farany, nisosa sy nivadibadika tanaty hantsana efa ho metatra maromaro no niafarany. Mpandeha iray tao anatin段ty fiara ity no namoy ny ainy avy hatrany rehefa voatsindrin地y fiara, maromaro kosa ireo naratra mafy. Nanararaotra izany fahavoazana izany ireo olon-dratsy, nanao izay danin地y kibony, nandroba ireo mpandeha izay saika tsy nisy afa-nihetsika noho ny ratra sy ny fahatairana. Vola, entana, firavaka sarobidy dia lasan段zy ireo avokoa.

Nitsoaka avy hatrany moa ireto farany nony azony izay nilainy. Efa fotoana elaela taty aoriana kosa vao tonga ireo mpamonjy, narahina mpitandro filaminana. Nezahina novonjena tany amin地y hpitaly tao Manjakandriana avokoa izy ireo. Nisy tamin段reo voa mafy no tsy tana intsony ny ainy, noho ny fahaverezan-dr be lotra. Tetsy an-danin段zay kosa, nanao izay fara-heriny, tamin地y savahao ny manodidina ireo mpitandro filaminana nikarohana ireto andian-jiolahy ireto, saingy efa nafenin地y alina izy ireo. Efa mandeha moa amin段zao ny fikarohana ireto farany sy ny fanadihadiana. Nisy tamin段reo mpandeha izay voa mafy kosa no voatery nampiakarina tany an-drenivohitra.

m.L
© Midi Madagasikara