Moov Madagascar (www.moov.mg)


Sakaraha : Fihinanana trondro voarara misy poizina, olona enina mianaka naiditra hopitaly
11-01-2017 / 08:56
You Are Here: Home → Faits-Divers → 2017 → janvier → 11 → Sakaraha : Fihinanana trondro voarara misy poizina, olona enina mianaka naiditra hopitaly Sakaraha : Fihinanana trondro voarara misy poizina, olona enina mianaka naiditra hopitaly Redaction Midi Madagasikara 11 janvier 2017 0 Comment Jacaranda Vokatry ny fihinanana trondro antsoina hoe : ォ Samboto サ, dia olona enina amina tokantrano iray tany Sakaraha no indray naiditra hopitaly, nanomboka ny alin地y alahady teo, ka zazakely ny efatra amin段reo marary mafy, raha roa kosa olon-dehibe.
Araka ny nambaran地y raim-pianakaviana iray tsy tra-doza tamin段o fihinanana trondro io, fa nivontovonto avokoa ny vatan地y vady aman-janany enina, avy eo nivoara-mena ny mason段zy ireo sady nihoaka nandoa. Raha vao nahita ny trangan-javatra ity raim-pianakaviana ity dia nitondra haingana avy hatrany ireo narary, ny alin io alahady io ihany namonjy mpitsabo tsy miankina iray tany an-toerana, ary ity farany no nandefa ireo tratry ny fihapoizinan-tsakafo tany amin地y hopitaly. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy enina mianaka ireto ka tsy misy ahiana intsony ny fahasalamany, hoy ny vaovao voaray.

Raha ny fantatra dia trondron-dranomasina avy any Toliara ka namidy tany Sakaraha ireto namparary ireto. Raha ny fanazavan地y avy ao amin地y minisiteran地y jono, dia anisan段reo trondro voarara tsy azo hanina sy amidy mandritra ny fotoanan地y hafanana ny 典samboto, fa mihinana lomotra izay misy poizina ireo trondro ireo, ka ny olona izay mihinana azy dia tsy maintsy marary na mety hiafara amin地y fahafatesana mihitsy raha tsy voatsabo haingana. Noho tsy fisian地y fanaraha-maso hentitra, dia manjaka ny gaboraraka, ka tsy vitsy amin段reo mpivarotra mitady vola no mivarotra ireo trondro voarara amidy mora, misy ny mitety tan瀟a sy tsena. Ny mpanjifa tsy mahalala moa dia mividy ka marary mafy sady malemilemy zara raha afa-mitsangana tratry ny fihapoizinana avy eo.

Eric Manitrisa
© Midi Madagasikara