Moov Madagascar (www.moov.mg)


Ihosy : Mpamosavy tra-maraina tao am-piangonana
17-02-2017 / 09:14
Vehivavy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no tra-tehaky ny mpiangona hivavaka vao maraina niboridana tanteraka nijoro teo ampovoan-trano, ny 14 febroary lasa teo, izay andro fankalazana ny fetin地y mpifakatia, tamina fiangonana iray tany Ihosy.
Gaga sy nikoropaka ireo mpiangona hiditra ity fiangonana ity raha nahita an段ty vehivavy niboridana tanteraka, ka nisy tamin段reo vantan-dahilahy no avy hatrany sahy nibeda an段ty vehivavy voalaza fa mpamosavy, ary ny hafa kosa nandroaka devoly azy. Raha ny loharanom-baovao mari-pototra voaray avy any an-toerana, dia adala mpirenireny ity vehivavy ity, ary avy any amin地y distrikan Ambalavao iny ny fiaviany.

Raha ny fantatra araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia matetika fanaon段ty tovovavy tratry ny aretin-tsaina voadona ara-pitiavana ity ny matory midoridana eny rehetra eny, ary nisy fotoana izy ny fiandohan地y volana febroary ity natory tamina sekoly iray tany an-toerana nandritra ny efatra andro.

Eric Manitrisa
© Midi Madagasikara