Moov Madagascar (www.moov.mg)


Mananara avaratra : Nentina teo aminíny zandary ny razana hitakiana ny namono azy
20-03-2017 / 08:04
Tsy mbola milamina ny raharaha Antsakabary, mbola ao anatiníny ďcouvre feuĒ ny ao Ambanja, izao dia nitrangana raharaha hafa indray ny ao Mananara avaratra, ny zoma 17 martsa, mikasika ity resaka fitakiana fitsaram-bahoaka olona efa eo am-pelan-tananíny mpitandro ny filaminana ity.
Raha ny fanazavaníny lehibeníny distrikaníi Mananara avaratra Mahatody Jocelyn Henri, dia resaka vaky trano nitranga ny alakamisy 16 martsa nataoníity tovolahy iray tao aminíity raim-pianakaviana monina tao Agnalagnampotsy Mananara avaratra, no niatombohaníny olana. Reníilay tompon-trano ny famakiana ny tranony, nivoaka ny trano nanenjika ity jiolahy ilay rangahy ka teo no voaveliníny hazo ny lohany ka tsy nahatsiaro tena izy. Reníny mponina manodidina ny zava-nisy ka raikitra ny fanenjehana ity jiolahy ity. Tratraníireo fokonolona izy ka nateriníizy ireo teo anivoníny polisy kaominaly, izay ireto farany indray no nanatitra izany teny aminíny zandary. Ilay rangahy tsy nahatsiaro tena noho ny daroka nahazo azy kosa dia tsy tana ny ainy na nentina hopitaly aza noho fahaverezan-drŗ be loatra nahazo azy.

Mitaky fitsaram-bahoaka. Noho ity raim-pianakaviana ity maty, dia nanomboka niakatra ny mari-pana taminíny fahatezeraníny mponina tao Agnalagnampontsy Mananara avaratra; koa tokony ho taminíny iray ora tolakandro dia nirohotra nankeny aminíny biraoníny zandary izy ireo nitaky ny famoahana ilay jiolahy nefa tsy nanaiky izany ireto zandary. Taorianíizay dia nentiníizy ireo teo an-tokotaniníny zandary ny fatiníilay tompon-trano, no mbola nitaky ny fitsaram-bahoaka taminíity namono azy ireo vahoaka. Niezaka nandamina ny raharaha ny lehibeníny distrika sy ny beníny tanana ary ny lehibeníny zandary tany an-toerana, ka ora efatra taty aoriana dia nisy ny marimaritra niraisana ka nentiníireto fokonolona nody ihany ny fatiníilay rangahy, nisy ihany koa zandary avy any Maroantsetra nanampy ireo namany tao Mananara avaratra, efa nisy koa ny fandefasana ilay jiolahy any Maroantsetra.

Efa milamina ny raharaha ankehitriny, Nisy ny fanampiana nataoníny lehibeníny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques, izay mitondra fanampiana hoaníireo traboina ao Maroantsetra, ka nanolorany vola Ar.1.600.000; teo koa ny fanampiana avy aminíny lehibeníny distrika sy ny beníny tanana Ar.1.000.000, izay nitondra ilay rangahy maty hihazo ny fasan-drazany ao Fenoarivo atsinanana, izay niala tany an-toerana ny sabotsy 18 martsa. Nandritra ny sakoroka anefa dia tsy nisy ny poa-basy sy ny olona voasambotra na nisy ny fanafarana zandary avy any Maroantsetra nanampy ireo namany tao Mananara avaratraÖ

Malala Didier
© Midi Madagasikara