• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Analanjirofo : Nitsirika ny fivoatry ny asa eny amin'ny RNS 5 ny ministeran'ny asa vaventy

07/02/2023 21:45 © Présidence De La République De Madagascar

RNS 5 : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana, izay mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Mananara avaratra

Toy ny fanao isam-bolana dia nanatanteraka fivoriana sy nanararaotra nijery ireo takaitra navelan’ny cyclone CHENESO sy ny fomba hanarenana ireo simba amin'ny lalam-pirenena faha-5 (RNS 5) mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra ny ekipan’ny DRTP Analanjirofo, ny Agence Routière, ny "Mission de Contrôle" ary ny solontenan’ny orinasa Sinohydro.
Nisongadina nandritra ny fitsirihana ny:

▪︎Fanombohana ireo " terrassement" eo amin’ny PK 28 ka hatrany amin’ny PK 40 ao Manompana,
▪︎ Maro ireo dalot vita, misy ireo mbola an-dalam-panamboarana
▪︎ Manomboka ny fanamboarana ny tetezana eo amin’ny OF3, efa vita ny coulage ny "béton" amin'ny "pieu" voalohany.

Anisan'ny tetikasa lehibe eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 (RNS 5) mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra, izay vatsian'ireo mpamatsy vola toy ny BADEA, OFID, KUWAÏT FUND, OPEP, ADFD.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo