Fiofanana any Etazonia : Maro ny fanararaotra ho an’ny tanora
Marobe ny fanararaotra ahafahan’ny tanora malagasy manohy fianarana na miofana any Etazonia, saingy vitsy no mahay manararaotra izany. Toetra telo no tokony ananan’ny tanora malagasy te hisitraka izany, raha ny hevitr’i Tahiry Rajaonarimanana, filohan’ny fikambanana MUSEA, Madagascar - US Exchange. Ireto avy izany : ny fahaizana mikarokarokaroka fa tsy mindriandry fotsiny, ny fahaizana teny anglisy ary ny fanaovana fizaran’asa mba hananana traikefa.
Tetikasan’ny governemanta amerikanina
Ny MUSEA dia fikambanana ivondronan’ireo rehetra nisitraka ny tetikasa niarahana tamin’ny governemanta amerikanina, toy ny Young African Leaders Initiative (YALI), ny International Visitors Leadership Program (IVLP), ny Study of the U.S. Institutes (SUSI) sy ny maro hafa. Tamin’ny taona 2016 no nijoro ny fikambanana ary miisa 2.000 ny mpikambana amin’izao, miparitaka amin’ny sehatra maro manerana an’i Madagasikara. Misy amin’izy ireo no mitana toerana ambony amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, misy ihany koa no mpandraharaha, na miasa amin’ireny fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana (ONG) ireny.
Tamberin’andraikitra
Rehefa tafaverina eto an-tanindrazana ireo mpisitraka tombontsoan’ny governemanta amerikanina ireo dia vonona ny hiasa sy hitondra ny anjara birikiny, araka izay fahalalana sy fahaiza-manao azony, tamin’ireny fandaharan’asa ireny. Tsy tombontsoa ho an’ny mpisitraka fotsiny ny nandehanan’izy ireo tany, araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny fikambanana, fa mizara ny fahalalana norantoviny amin’ireo mpiray tanindrazana ihany koa izy ireo. Raha ny antontan’isa navoakan’ny MUSEA dia efa nisy 600 isa ny mpandraharaha nahazo fiofanana tamin’izy ireo, 100 ny mpitarika fikambanana ary 200 ny mpampianatra. Isan’ny soatoavina voizin’izy ireo mantsy ny tamberin’andraikitra.
Fanamafisana ny firahalahiana
Manatanteraka fihaonana mandritra ny roa andro, antsoina hoe : « Alumni Meet 2023 » ny fikambanana MUSEA, manomboka androany ary hifarana rahampitso. Tanjona amin’izany ny fanamafisana ny firahalahiana ho an’ireo mpianatra tany Etazonia.
Satria ihany koa efa tapitra ny fotoam-piasan’ny birao mitantana ankehitriny, dia hotontosaina rahampitso ny fifamindram-pahefana amin’ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovao. Fotoana io, hampitana ireo soatoavin’ny MUSEA amin’ireo mpikambana, dia ny fahitsiana, ny fanetren-tena, ny tamberin’andraikitra ary ny fipakana (impact).
