• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ankorondrano : Lasa feno mpanendaka

31/01/2023 08:21 © Midi Madagasikara

Amin’ny andro atoandrobe nanahary dia efa miasa ireo mpanao sinto-mahery eo an-toerana.

Tsy vitan’izay fa mitazona antsy lava ary tena mandrahona. Vao omaly indray no nisy lasibatra, ramatoa iray izay nandalo teo an-toerana. Nisy nahita izany ary dia niezaka ny nanara-dia ary tsy nanaiky ny olona raha tsy azo ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

Vetivety dia vory ny olona ary tonga koa ny mpitandro ny filaminana nanampy sy nitondra ilay mpanendaka any amin’ny biraony mba hanokafana fanadihadiana. Mbola sarona ilay zava-maranitra. Ankoatra ny olona mandalo dia isan’ny mitondra faisana ireo olona miasa amin’ireo orinasa maro eo an-toerana ka mandeha an-tongotra harivariva. Tsy lavitra ny fivarotan-dasantsy dia misy elakelan-trano izay matetika hitsoahan’ireo olon-dratsy. Mila jeren’ny mpitandro ny filaminana akaiky.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo