• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Indrana
Image
Vaovao

Toamasina : Esorina avokoa ireo trano fivarotana amoron-dalana

08/06/2023 11:48 © Moov.Mg

Nanomboka omaly 7 jona no nanesorana ireo trano fivarotana miorina eny ambony "trottoir". Izany no natao dia mba ampiharana ny fifehezana sy ny fifampitondrana ao an-toerana.

Trottoir, ho an'ny mpandeha an-tongotra

Ny kaominina Toamasina no mikarakara izao fanadiovana ny tanàna izao. Noravana avokoa ireo tranokely fivarotrana izay mihatona amin'ny trottoir, eny fa na ireo manakaiky ny moron-dranomasina aza. Fanajana ireo mpandeha an-tongotra sady fisorohana ny lozam-pifamoivozana moa no anton'izany. Maro tokoa mantsy ireo mpandeha an-tongotra no voatery midina eny amin'ny arabe rehefa eny an-dalana noho ny fahateren'ny troittoir. Manelingelina ireo mpamily sy mampitombo ny lozam-pifamoivozana nefa izany. Tsy adino ireo fako mivangongo sady miparitaka eny amin'ny arabe.
Nanapa-kevitra ny kaominina tao Toamasina fa esorina avokoa ireo trano fivarotana tsy manara-dalàna. Marihina fa tsy misy ny fanomezan-dalana manokana ny amin'ny fivarotana eny amoron-dalana. Nitarika ny asa ny Mpanolo-tsaina Manokan'ny Ben'ny Tanana,Atoa Andrilalaina Gervais Judicael.

Tsena, ho an'ny mpivarotra

Ireo mpivarotra rehetra dia entanina hiditra ireo tsena kaominaly sy ireo toerana voatokana amin'izany. Matetika mantsy dia tsy te hiala vola amin'ny hofan-tsena sy ny haba isan-karazany ireo mpivarotra. Ampahatsiahivina nefa fa tokony ao anatin'ny kajy atao mialoha ny irosoana amin'ny asa tena ny fandaniana amin'ny trano na tsena ampirantiana ireo entam-barotra.
Tsy nisy moa ny korontana nandritra ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana tao Toamasina. Ny ankamaroan'izy ireo rahateo dia efa nanala ireo entana rehetra tao amin'ny trano fivarotan'izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo