Vous êtes ici

15-01-2022 par Midi Madagasikara

Nosamborin’ny Polisim-pirenana avy ao @ DRSP Sofia tao Mandritsara ny lehilahy iray sahabo 36 taona ny alarobia 12 janoary lasa teo.


Efa hatramin’ny volana martsa 2020 no nikarohan’ny polisy azy tao Antsiranana sy Antsohihy noho ny fanafihana mitam-piadiana. Ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina no voasambotra tao Ankijanilava, fokontany Ambarikapa, kaominina ambanivohitry Mandritsara ity olon-dratsy ity.

 

Marihina fa mampiasa karapanondro hosoka ity jiolahy ity ka mbola mandeha ny fanadihadiana ahalalana ny mombamomba azy marina. Ny azo antoka aloha dia tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Bealanana izy ny alin’ny 27 desambra 2021 lasa teo. Atao fanadihadiana ary voatazona vonjimaika ao amin’ny CSP Mandritsara izy amin’izao fotoana izao.

 

TM