Vous êtes ici

12-08-2022 par Midi Madagasikara

Ao anatin’ny hetsika hamerenana indray ny fandriam-pahalamena ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao, dia nisy ny hetsika manokana ataon’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Toamasina.


 

Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny rehetra anefa izany, ao anatin’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana, ka nahitam-bokany sahady. Satria dia fantatra fa mpangalatra sy mpividy halatra amin’ireny jiro mandeha amin’ny masoandro, napetraka mba hanazava ny lalana sy ny tanàna ireny maromaro no voasambotra tao Ampasimazava, omaly maraina. Izany dia vokatry ny fanadihadiana sy ny angom-baovao nomen’ireo tsara sitrapo. Tsikaritra tokoa mantsy fa maro amin’ireo andrin-jiro teny an-toerana no tsy nisy jiro intsony, nisy nangalatra ireo jiro “led” sy ny “panneaux solaire” miaraka aminy. Marihina anefa ary iaraha-mahalala rahateo fa ny haizana manjaka amin’ireo faritra sasany ao an-drenivohitr’i Toamasina ao, no anisan’ny mampirongatra ihany koa ny asan-jiolahy.

 

Rehefa nahazo ireo angom-baovao araka izany ny zandary dia niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ireo tranon’ireo olona voatondro ho mpanafina ireo entana halatra. Hita tao tokoa ireo “lampadaires solaires” halatra niisa 16. Tafakatra fito ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’ity halatra sy fanimbana fananam-bahoaka ity, ka nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny zandary hanaovana famotorana. Ny fanadihadiana lalina mahakasika ity tranga ity moa dia mbola mitohy any an-toerana. Raha ny loharanom-baovao azo mantsy dia mety efa ho tambazotra matanjaka izy ity.

 

m.L