• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © Etat-Major Des Armées
Image
Vaovao

Tafika : Miaramila miisa 820 no ho raisina amin’ny alalan’ny « rengagement » amin’ity taona ity

13/05/2025 16:41 © Moov

Hisy « rengagement » indray amin’ity taona ity ao amin’ny tafika malagasy. Nanamafy ny handraisana miaramila miisa 820 ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, androany, reha efa tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny 30 aprily lasa teo izany. Araka izany, ho raisina ho mpiasa raikitra izy ireo, amin’ity taona 2025 ity.

Hameno ny banga eny an-kianja

Isan’ny antony nandraisana ity fanapahan-kevitra ity ny tsy fahampian’ireo miaramiala midina an-tsehatra mampandry tany. Ilaina izy ireo amin’ny fanamafisana izany, mba ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra. Raha tsiahivina dia tsy nisy « rengagement » ny taona 2024 ka nampihena ny isan’ireo miaramila eny an-kianja ireo.
Ireto miaramila ho raisina mpiasa raikitra ireto, dia efa nisitraka fampianarana samihafa nandritra ny fotoana ela ka azo lazaina fa efa miandry ny fotoana tena hiasany fotsiny sisa.

Manaraka ny lamina efa mipetraka

Na dia efa niofana sy nianatra aza anefa izy ireo dia tsy maintsy manaraka ny lamina efa nipetraka ny fizotran’ny fandraisana azy ireo. Marihina fa tsy maintsy mandalo mason-tsivana ny fifantenana ireo horaisina, hoy ny Minisitera. Misy vaomiera telo napetraka izay misahana ny fanangonana, fandinihina ary ny fandaniana sy famoahana ny lisitr'ireo izay ho voaray.
Eny anivon'ny sekoly miaramila sy ny vondrona rehetra ny vaomiera voalohany, ny vaomiera faharoa dia eny anivon'ny Etamazaoron'ireo Tafika ary ny vaomiera fahatelo dia eny anivon’ireo Etamazaoro telo (tafika an-tanety, anabakabaka, an-dranomasina). Mbola hisy vaomiera manadihady ihany koa any alohan'ny hanombohan'ny fiofanana.

Ady amin’ny kolikoly

Maimaim-poana ny « rengagement », hoy ny avy ao amin’ny Foloalindahy. Voasoratra mazava ao anatin'ny naoty fandaminanana ny fandraisana Miaramila 2025, fa ireo manao antsirambina sy kolikoly mandritra ny dingana rehetra amin’izany dia enjehina manoloana ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana (conseil de discipline) sy manoloana ny fitsarana ady heloka bevava. Izay manana porofo amin’ny mety ho fakana vola no nentanin’izy ireo mba ho sahy hitoroka.

Lire la suite

Articles Similaires