Tratry ny somisika ao ambanin’ny hoho : ahoana no atao ?
Toe-javatra mety mitranga ny hoe tratry ny somisika ao ambanin’ny hoho. Tsy azo atao tsirambina izy io na dia tsy manaintaina aza fa mila esorina malaky. Raha miandry ela dia mety hiteraka « infections » sy hanimba ny endriky ny hoho. Ahoana ary ny fomba atao mba hanesorana ny somisika ao ambanin’ny hoho?
Somisika ambanin’ny hoho : ireo mety ho fahasarotana aterany raha tsy esorina
Raha tsy esorina malaky sy ara-dalàna ny somisika ao ambanin’ny hoho dia mety hiteraka fahasarotana. Ilay ratra kely misy somisika dia mora idiran’ny bakteria. Satria moa sady mandomando no mafana ny faritra ao ambanin’ny hoho dia mora mampihombo ireo bakteria. Raha tsy esorina ara-potoana sy ara-dalàna ilay somisika dia mety hitarika « infections ».
Anisan’ireo fambaran’ny « infections » tokony hahamailo ny hoe : mivaramena, mivonto, mafana rehefa kitihina ary manaintaina manindrona tampoka eo amin’ilay faritra ambanin’ny hoho nidiran’ny somisika. Raha mbola tsy esorina sy tsaboina izany dia mety hihombo lasa mamoro-nana izay mety miparitaka eo amin’ireo « tissus » manodidina. Amin’ireo tranga tena sarotra moa dia mety hitarika « déformation » an’ilay hoho sy fanaintainana mafy mila fandraisana an-tanana manokana.
Ny fomba atao hanesorana ny somisika ao ambanin’ny hoho
Ny dingana voalohany atao rehefa hanala somisika ao ambanin’ny hoho dia ny fanomanana ireo fitaovana ampiasaina : « pince à épiler » sy fanjaitra voadio tamin’ny alikaola, « lingette antiseptique » ary hazavana tsara. Avy eo, diovina tsara amin’ny rano sy savony ny tanana, indrindra ilay misy somisika.
Alohan’ny hanesorana ilay somisika dia alona anaty rano mafana mandritra ny 10-15 minitra ilay rantsana misy somisika. Asiana sira na karibonetra 1 sotro ao anatin’ilay rano mafana (antiseptiques). Matetika dia miakatra ho azy manamorona ny ivelan’ilay hoho ilay somisika rehefa vita ity fandomana ity ka mora kokoa ny misintona azy amin’ilay « pince à épiler ».
Raha toa ka somary lalindalina ilay somisika ao ambanin’ny hoho dia mampiasa ilay fanjaitra mba hanalalahana moramora ilay hoditra manodidina ilay somisika. Rehefa mipoitra kely ny lohan’ity farany dia iny no sintomina moramora amin’ny « pince à épiler ». Atao manaraka ny « sens » an’ilay nidiran’ilay somisika ny hisintomana azy.
Rehefa afaka ilay somisika dia averina diovina amin’ny « désinfectant » ilay faritra ambanin’ny hoho mba hisorohana ny « infections ». Raha efa nandramana ireo torohevitra ireo nefa tsy mety afaka ilay somisika dia aleo manantona mpitsabo hanala azy mba hisorohana ny mety ho fahasarotana.